FJKM Isotry Fitiavana - Site Web
FJKM Isotry Fitiavana - Site Web
  • 699
  • 533 152
MOFONAINA 12 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA ZOMA 12 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. - Kolosiana 1 : 14
(Fiaraha-mandinika Soratra Masina)
=======
FANDAHARANA
Sal 119/9-16
Hira 2
(Misaora an'i Zanahary)
Vavaka
Hira 619/1
(Ry Raiko o tariho ny zanako)
SM : Kol 1,9-14
Hira 242/1.5
Misaotra Anao zahay ry Ray
Ny asan'ny Fanahinao
Fiaraha-mandinika Soratra Masina
Vavaka + RZA
Hira HF 14/3
Jesoa apetrako aminao ny toky sy fanantenana
Tsodrano
=======
TAHIRIN-KEVITRA
Itantsika amin'ity rohy manaraka ity ny tahirin-kevitra androany :
fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/kolosiana-1-9-14-mofonaina-zoma-12-jolay-2024/
=======
00:00 Lohateny
00:10 Fiderana
02:40 Soratra Masina Kol 1.9-14
04:03 Fiaraha-mandinika Soratra Masina
54:03 Vavaka
56:21 Tsodrano
zhlédnutí: 63

Video

MOFONAINA 10 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 129Před 4 hodinami
MOFONAINA ALAROBIA 10 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA www.fjkmisotryfitiavana.org/hafatry_mpitandrina/salamo-687-14-mofonaina-alarobia-10-jolay-2024/ Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ny lovanao, Andriamanitra ô; Ary raha kotra izy, dia novelombelominao. Salamo 68:9 (Hafatra an-tsoratra) FANDAHARANA Sal 84,4-7 Hira 267(He ny andon'ny maraina) Vavaka Hira 205/1,4 (Ny Teninao rehetra) (F...
MOFONAINA 09 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 309Před 7 hodinami
MOFONAINA TALATA 09 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Fiaraha-mandinika Soratra Masina fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/mofonaina-talata-09-jolay-2024-marka-67-13/ Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. Marka 6 : 12 FANDAHARANA Sal 119:129-135 Hira 167 Vavaka Hira 310/1 (Misy maro ao an-tsaha mitaraina) SM Marka 6:7-13 Hir...
MOFONAINA 08 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 244Před 9 hodinami
MOFONAINA ALATSINAINY 08 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA fjkmisotryfitiavana.org/hafatry_mpitandrina/ohabolana-834-hafatra-mofonaina-alatsinainy-08-jolay-2024/ Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. Ohabolana 8 : 34 FANDAHARANA Sal 1,1-3 Hira 447 (Hianao ry Kristy Tompo) Vavaka Hira 786:3(Mamiratra indrindra) SM O...
TORITENY ALAHADY 07 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 315Před 9 hodinami
TORITENY ALAHADY 07 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 07 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 859Před 9 hodinami
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 07 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA fjkmisotryfitiavana.org/vaovao/vaovao_fikambanana/vaova_fdl/alahady-07-jolay-2024-fanokanana-ireo-diakona-sy-loholona-andiany-finaritra-mbola-tsy-voatokana/ Fanokanana ireo Diakona sy Loholona tsy tonga tamin'ny 05 Mey 2024 MIARAHA MANDEHA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO Sal 36.5-9 317 755.4 F14.3 Sal 68.7-14 Jao 8.12-19 Kol 1.9-14...
MOFONAINA 05 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 254Před 16 hodinami
MOFONAINA ZOMA 05 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo. Deoteronomia 20 : 4 00:00 Lohateny 00:10 Fiderana 03:15 Soratra Masina 04:53 Hafatra 15:31 Vavaka 20:43 Tsodrano
MOFONAINA 04 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 247Před 19 hodinami
MOFONAINA ALAKAMISY 04 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Ary taoriana kelin'izany, dia lasa Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra Lioka 8 : 1a 00:00 Lohateny 00:10 Fiderana 02:41 Soratra Masina 03:50 Hafatra 15:42 Vavaka 17:49 Tsodrano
MOFONAINA 03 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 252Před 21 hodinou
MOFONAINA ALAROBIA 03 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo Deoteronomia 1 : 32 00:00 Lohateny 00:10 Fiderana 03:15 Soratra Masina 04:38 Hafatra 14:52 Vavaka 18:43 Tsodrano
MOFONAINA 02 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 310Před dnem
MOFONAINA TALATA 02 JOLAY 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. Eksodosy 4 : 16 00:00 Lohateny 00:10 Fiderana 02:57 Soratra Masina 04:50 Hafatra 14:55 Vavaka 18:24 Tsodrano
TORITENY ALAHADY 30 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 344Před dnem
TORITENY ALAHADY 30 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 30 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 1,1KPřed dnem
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 30 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA fjkmisotryfitiavana.org/vaovao/vaovao_fiangonana/alah-30-jona-2024-fametrahana-ireo-mpiandraikitra-sy-mpandini-bola/ Fametrahana ara-pombam-piangonana ireo Mpiandraikitra sy Mpandini-bola FANDAHARANA Sal 18.1-2 18 170.4 231.1-3 537.1 F2 307 645 F33 759.1 205 Isaia 43. 1-7 Jaona 18. 1-11 Joda 24-25 476.3-4 480.3 753 00:00 Fidirana...
MOFONAINA 29 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 299Před dnem
MOFONAINA SABOTSY 29 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. Joda 25 00:00 Lohateny 00:10 Fiderana 04:16 Soratra Masina Joda 24-25 05:10 Hafatra 18:00 Vavaka
MOFONAINA 28 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 374Před 14 dny
MOFONAINA ZOMA 28 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/isaia-431-7-28-jona-2024/ FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA Fa ankehitriny, ry Jakoba o, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely o : Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Isaia 43 : ...
MOFONAINA 26 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 266Před 14 dny
MOFONAINA ALAROBIA 26 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'Olona. Lioka 21 : 36 FANDAHARANA Isaia 62:1 10-12 Hira 351 (Tsy hangina re ny hoby)... Vavaka Hira 760 2 (Aza mba manadino ny tanindrazanao) SM Lioka 21:34-36 Hira 734 1- (Zanahary o tahio) 2- (Ireo...
MOFONAINA 25 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 322Před 14 dny
MOFONAINA 25 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 24 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 138Před 14 dny
MOFONAINA 24 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 23 JONA 2024 - FIDIRANA FAHAROA - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 415Před 14 dny
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 23 JONA 2024 - FIDIRANA FAHAROA - FJKM ISOTRY FITIAVANA
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 23 JONA 2024 - AMPAHANY, FIDIRANA VOALOHANY - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 181Před 14 dny
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 23 JONA 2024 - AMPAHANY, FIDIRANA VOALOHANY - FJKM ISOTRY FITIAVANA
TORITENY ALAHADY 23 JONA 2024 - FIDIRANA VOALOHANY - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 232Před 14 dny
TORITENY ALAHADY 23 JONA 2024 - FIDIRANA VOALOHANY - FJKM ISOTRY FITIAVANA
TORITENY ALAHADY 23 JONA 2024 - FIDIRANA FAHAROA - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 149Před 14 dny
TORITENY ALAHADY 23 JONA 2024 - FIDIRANA FAHAROA - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 21 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 488Před 14 dny
MOFONAINA 21 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 19 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 470Před 21 dnem
MOFONAINA 19 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 18 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 390Před 21 dnem
MOFONAINA 18 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 17 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 324Před 21 dnem
MOFONAINA 17 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
TORITENY ALAHADY 16 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 375Před 21 dnem
TORITENY ALAHADY 16 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 16 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 583Před 21 dnem
FANOMPOAM-PIVAVAHANA ALAHADY 16 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 15 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 177Před 21 dnem
MOFONAINA 15 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 14 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 267Před 28 dny
MOFONAINA 14 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
MOFONAINA 12 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
zhlédnutí 268Před měsícem
MOFONAINA 12 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

Komentáře

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Mahafinaritra loatra ny fampianarana voazaranao Pasteur Miarisoa, deraiko mandrakizay ny Tompo, nohon'ny fitantanaNy ny fiainako sy ny ankohonanako hatrizay ka homandrakizay 🙏 Itoetra ao aminao tanteraka sy ny ankohonanao lalandava koa JESOA tompoko 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb Před 4 hodinami

    Ny tahirin-kevira dia azontsika alaina amin'ity rohy ity : fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/kolosiana-1-9-14-mofonaina-zoma-12-jolay-2024/

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb Před 4 hodinami

    FANDAHARANA Sal 119/9-16 Hira 2 (Misaora an'i Zanahary) Vavaka Hira 619/1 (Ry Raiko o tariho ny zanako) SM : Kol 1,9-14 Hira 242/1.5 Misaotra Anao zahay ry Ray Ny asan'ny Fanahinao Fiaraha-mandinika Soratra Masina Vavaka + RZA Hira HF 14/3 Jesoa apetrako aminao ny toky sy fanantenana Tsodrano

  • @ntsoavina
    @ntsoavina Před dnem

    Misaotra manampy be ilay famintinana

  • @bakotiana141
    @bakotiana141 Před dnem

    Vetivety be ilay soratra dia lasa.tsy voavaky

  • @modestineramamiarivony6526

    Misaotra JESOA fa Tia anay tokoa Ianao ,Ary tsy mahihitra fitahiana ho an'iizay miaramandeha Aminao .amen Mamy ry Jeso ô Ny FITIAVANAO MANKASITRAKA PASTEUR , mankasitraka n'y mpikirakira n'a mivantana n'a ankolaka tompoko Tahin'i JESOA

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    HAFATRA Salamo 68: Fiantsoana ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny ady (and. 1-2) ary fiantsoana ny fanjakana rehetra hanaiky ny Herin'Andriamanitra (and. 32-35). Salamo 68:7-14: Manoritra ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy any Egypta sy ny nitondran'Andriamanitra azy tamin'ny heriny. Andininy faha-9: Miara mandeha amin'ny Tompo Andriamanitrao. 1. Ranonoram-pitahiana Hafatra: Mahafantatra ny ilainao eny am-pandehanana ny Tompo Andriamanitrao. Malala-tanana Andriamanitra, tsy mahihitra fitahiana Izy. (Zanak'Isiraely tany an'efitra: mana sy papelika, ny vatolampy sy ny rano... Fitafiana sy kapa tsy rovitra). PTQ: Hanin-kohanina. Rano ho sotroina. Fitafiana eny an-koditra... ANTSO: Tsarovy fa tsy mahihitra fitahiana ny Andriamanitra miara-mandeha aminao. 2. Lovan'Andriamanitra Hafatra: Mikajy anao eny am-pandehanana ny Tompo Andriamanitrao. Zavatra mahasarotiny ny lova. Mamakivaky ny tantara ny lova, mitahiry ny fihavanana ny lova. PTQ: Hadinon'Andriamanitra aho, tsy hitany ny lalako kanefa izy mihitsy no natory niala tamin'ny lalan'Andriamanitra ka tra-doza. ANTSO: Tsarovy fa mihevitra anao toy ny lovany ny Tompo Andriamanitrao: Mitsinjo sy mikajy anao Izy. Lovan'Andriamanitra ianao. 3. Novelombelomin'Andriamanitra Hafatra: Manavao anao eny am-pandehanana ny Tompo Andriamanitrao. Mety ho reraka (Kotra) na maty isika fa mamelona Izy (Salamo 23). PTQ: Manenina ny amin'ny fisiany. Milaza fa diso fanapahan-kevitra dia vizaka tanteraka. Maro no mandeha toy ny voninkazo nafindra dia malazo. Mila famelomana. Betsaka ny kotra. Mila fampaherezana. ANTSO: Tsarovy fa te hamelona sy hampisy tsimoka vaovao eo aminao indray ny Tompo.

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 84,4-7 Hira 267(He ny andon'ny maraina) Vavaka Hira 205/1,4 (Ny Teninao rehetra) (Fa teny mampisava) SM :Sal 68 ,7-14 Hira 548/1(He Jehovah no mpiandry ahy) HAFATRA Vavaka + RZA Hira 603/3 feo=332 (Ny hafanana mahamay) Tsodrano

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    TAHIRIN-KEVITRA Marka 6,7-13 1. NY BOKY: Efa voaresaka tany aloha (Amafisin’ny mpandray anjara). 2. FAMARITANA NY TEKSTA: Ny eo aloha dia Jesoa tao Nazareta sy ny fandavana Azy (6,1-6). Ny aoriana dia ny Namonoana an’i Jaona Mpanao Batisa (6,14-29). Anatin’ny fotoam-panofanana ny mpianatra ny Tompo, ity no fanirahana voalohany taorin’ny fanendrena (3,13;14). 3. IREO VOAMBOLANA MANAN-DANJA: 21. Niantso: Manasa, "Fiarahana na fiombonana aina" Rom 1.7+8.30. 22. Naniraka / Apostello: Apo: Fiaingana. Stello: Fanomanana, fampitaovana, fanirahana. Mandefa lavitra: maniraka hiala na handeha. 23. Tsiroaroa (roa): Vavolombelona (Deot 19.15): Ny tany sy ny lanitra (Deot 30,19), Jaona sy Maria (JK) sns. Tsy an’olontokana ny fitoriana ny Filazantsara. 24. Fahefana: "Exousia": Vaika na hery. Fahefana apetraky ny lalàna: avy ivelany fa tsy avy ao anaty. Tsy ny hery na finiavanao. 25. Tehina: Fandrefesana sy fitaovana handehanana: Sarin’ny Tenin’Andriamanitra. 26. Kapa: Fanehoana fahavononana sy fahavitan’ny fiomanana, fiondrehana koa (Eks 3.5 + Deot 29.5 + Efes 6.15). 27. Akanjo roa: Aza manao fitan-droa (Toetra roa). 28. Fibebahana: Fiovam-po sy fiainana lalina: Fiaiken-keloka sy fangataham-pamelana ary fiovana. "Metanoia": Olona mahazo tsara ny momba azy ary maneho fahavononana hiova lalana (Ny Tsindretsa sy angidina). 29. Vavolombelona / Martiora: Mpanamarina. 30. Diloilo FAMPIHARANA FITO: M.I.T.O.R.I.A 1. Mandehana: Tsarovy fa voalohan’asan’ny Fiangonana ny fitoriana ny Filazantsara (and. 7). 2. Itokio ny Tompo: Amaivano ny tenanao (and. 8-9): Miankina amin’Andriamanitra ny fahombiazanao. 3. Tena hisy trano hivantanana ianao: Aza misalasala miantrano aman’olona (and. 10). 4. Olona manan-tsafidy isika: Aza kivy amin’ny fandavan’ny olona. Mety hisy izany. Ny mitory no anjaran’ny Fiangonana (and. 11,12). 5. Rehefa nibebaka ianao dia ampibebaho ny hafa: (and. 12). 6. Imasoy ny maha olona: Vatana, Saina, Fanahy, Fihetseham-po (and. 13). 7. Aza misalasala intsony: Miaraha mitory, mandehana tsiroaroa (and. 7,12).

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 119:129-135 Hira 167 Vavaka Hira 310/1 (Misy maro ao an-tsaha mitaraina) SM Marka 6:7-13 Hira 314/1,3 1 (Injany misy feo) 3 (Ny Tompo no milaza) FMSM Vavaka+RZA Hira 427 1 (Ho vavolombelonao) Tsodrano

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Ampy ahy sy ny ankohonanako tanteraka ny fahasoavaNy atoloNy anay hatrizay ka homandrakizay ❤️👏 Mankatelina indrindra Pasteur @zao tenin'Andriamanitra natolotrao izao😇 Ombantsika rehetra foana ny TOMPO Pasteur Miarisoa ❤

  • @modestineramamiarivony6526

    Finaritra tompoko , mankasitraka Pasteur Miarisoa,fa tena heviteny vaovao tamiko n'y vavahady s'y tolam-baravarana 🙏🙏 ,n'y Fanahy Masina ao anatinao mbola hanolotsaina anao tompoko ,hamahananao s'y hiandrasanao anay ondrinao. Tahin'i JESOA

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    TAHIRIN-KEVITRA fjkmisotryfitiavana.org/hafatry_mpitandrina/ohabolana-834-hafatra-mofonaina-alatsinainy-08-jolay-2024/ HAFATRA Ohabolana 8: Andriamanitra Manondro ny Tenany ho Fahendrena Fahendrena (Andriamanitra) mijoro eo amin'ny fihaonan-dalana ka miantso ny olona hihaino azy (and 1-2). Mofon'aina: Ny fahendrena miantso ny olona hihaino sy hankeo amin'ny vavahadiny ary hiandry eo amin'ny tolam-baravarany. Rehefa mandeha isika dia ireto no tsy maintsy ho ao an-tsaina: Ilay vavahady manao ahoana no ho lalovako, varavaran'aiza no hidirako. Eny an-dalana (eo am-piatrehana ny fiainana) ianao no miantso ny Fahendrena. Toerana roa manandanja voalaza tetsy ambony no voatsipika ato. "Mihaino, miari-tory eo am-bavahadiko" "Mihaino, miandry eo amin'ny tolam-baravarana" VAVAHADY: Ambohim-pihaonana: Tsena, Fitsarana, fivoriana ara-politika, Fampitam-baovao. Ny teny fototra izay misy litera telo (SYR) ilazana ny hoe vavahady dia azo akana hevitra hoe: Tombana, fandrefesana, fisavana. Sambatra izay miaritory mandrakariva eo am-bavahadiko. Tsy tafandry mandry raha tsy manao tombana ny fiainana eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra. Tsy matory raha tsy avy mandrefy ny zava-bita; mitondra izany eo amin'Andriamanitra. Manao ho zava-dehibe ny hoe milamina ve izaho ity raha eo anatrehan'ny Tompo. PTQ: Tsy ahatongavana ao an-trano no ela ANTSO: Miarahamandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao Mankanesa eo am-bavahadiny ho tsarainy. Rehefa avy namakivaky tontolo andro ianao, mifidiana ny vavahadin'ny fahendrena. Mandiniha tena ary meteza ho tsarain'Andriamanitra. "MIANDRY EO AMIN'NY TOLAM-BARAVARAKO" TOLAM-BARAVARANA: Ilay hazo mifamatotra ka mampiorina tsara ny varavarana ahafahany mivoha sy mihidy. "Mihaino ary miandry eo amin'ny tolam-baravarana" Aoka ho liana amin'izay tena foto-javatra. Aoka hifantoka amin'izay mampiorina. Ny Tolana no zava-dehibe fa tsy ny varavarana. Ilay tsy mihetsika, ilay tsy miontsona. PTQ: Kristianina mivoaka sy miditra ny varavarana fa tsy miandry eo amin'ny tolana. Kristianina misavilivily fa tsy miorina. ANTSO: Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao Henoy ny antson'ny Fahendrena. Miandrasa eo amin'ny tolam-baravarana. Aza mivilivily tadiavo izay iorenana, mifantoha amin'izay fototra dia Jesoa Kristy. FEHINY: Amin'ity anio ity. Hiara-mandeha amin’ny Tompo ianao: 1. Rehefa vita ny tontolo andro dia henoy ny Tompo, aza adinoina ny mandini-tena (Vavahady). 2. Rehefa avy mandini-tena ianao dia henoy ny Tompo, tadiavo izay ampiorina bebe kokoa (Tolam-baravarana).

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 1,1-3 Hira 447 (Hianao ry Kristy Tompo) Vavaka Hira 786:3(Mamiratra indrindra) SM Ohabolana 8,32-36 Hira 163: 2 (Andrandranao ka andraso) 3 (Eto afovoantsika) HAFATRA (and 34) Vavaka+RZA FP1 Hira HF 19:1(Raha JHWH no mpiandry) Tsodrano

  • @modestineramamiarivony6526

    Mankasitraka tompoko , tahian'i JESOA

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    MIARAHA MANDEHA AMIN'NY TOMPO ANDRIAMANITRAO Sal 36.5-9 317 755.4 F14.3 Sal 68.7-14 Jao 8.12-19 Kol 1.9-14 174.3 448.1 351.3 F33.1 FIF 144 A11 332.1-2

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Lehibe loatra ny fitiavan'Andrimanitra 🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur,t@tenin'Andriamanitra voafafinao anio, hoaminao sy ny ankohonanao mandrakizay koa ny fandresena miaraka @ilay Tompo tiantsika tompoko 😇

  • @modestineramamiarivony6526

    Misaotra JESOA , sambatra izahay manana Anao miara-mandeha aminay ,miady ny adinay ,mampandresy anay ,amen Mankasitraka anareo 🙏

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Hoan'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra 👏 Mankasitraka tompoko fa voaray tanteraka mintsy ny fampianarana nafafinao anio Pasteur 😇.Ahay ankato sy ampihatra izany @mpiarabelona tokoa anie ,ny tsirairay,avy nandray ny hafatrao teto tompoko!

  • @modestineramamiarivony6526

    Mankasitraka pasteur Misaotra anareo teknisiana ❤, tahin'i JESOA

  • @rameloarisonbenie8939

    Finaritra tompoko, Misaotra an'Andriamanitra lehibe Amen! Voninahitra anie hoe Azy omaly, sy anio ary mandrakizay Amen!

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Voninahitra hoan'Andriamanitra irery ihany hatrin'ny taloha ka homandrakizay 🙏 Mankasitraka indrindra tompoko mizara ny fahamarinan'A/tra, hoaminao sy ny ankohonanao lalandava koa ny Fanahy Masin'nyTompo 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    Sal 18.1-2 18 170.4 231.1-3 537.1 F2 307 645 F33 759.1 205 Isaia 43. 1-7 Jaona 18. 1-11 Joda 24-25 476.3-4 480.3 753

  • @modestineramamiarivony6526

    Finaritra tompoko , Misaotra an'Andriamanitra lehibe n'y @ teknolojia ahazahoana miaraka mivavaka, mankasitraka anareo koa manaiky ho mpiaramiasa @ Tompo @ fampitana n'y fotoana tompoko. Fa mba misy hetaheta MBA ho fanatsarana :izahay aty ampita aty moa tsy misy fjkm ,Dia izao no hiarahana mivavaka 🙏🙏🙏,Dia sitrakay raha mba soratana n'y hita fa izahay tsy mahita tabilao hira no tsy manana programme. Misaotra tompoko ,ho aminareo ny fiadanana , tahin'i JESOA

    • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
      @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb Před 11 dny

      Finaritra tompoko, Ireto ary tompoko ireo fandarahana (hira sy perikopa) Ny hira tamin'ny rakitra no tsy itanao anatin'ny horonantsary. Sal 18.1-2 18 170.4 231.1-3 537.1 F2 307 645 F33 759.1 205 Isaia 43. 1-7 Jaona 18. 1-11 Joda 24-25 476.3-4 480.3 753

    • @modestineramamiarivony6526
      @modestineramamiarivony6526 Před 11 dny

      @@FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb mankasitraka indrindra tompoko , tahin'i JESOA

    • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
      @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb Před 10 dny

      tahin'i JESOA

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    HoAZY irery ihany hatrin'ny taloha ka homandrakizay ny voninahitra 👏

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Tsara tanteraka 💯 izany fampianaranao zany Pasteur Miarisoa,matoky loatra nyTompo @famonjeny hatrin'ny taloha ka homandrakizay 🙏 Itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava koa ny fitiavaNy tompoko 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/isaia-431-7-28-jona-2024/

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    TAHIRIN-KEVITRA FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA: ZOMA 28.06.24 ISAIA 43:1-7 1. ISAIA: NY BOKY Toko 66 izay mizara 3: • Toko 1-39: Korontana politika vokatry ny sampy • Toko 40-55: Fahababoana any Babylona • Toko 56-66: Tafaverina any Joda ny babo Isaia: Ny Tompo no mpamonjy. Naminany tamin'ny taona 740 BC - 680 BC (60 taona). 2. TEKSTA: Teny ho an’ny Fiangonana any am-pahababoana 3. VOAMBOLANA BIBLIKA: Nahary, namorona, nanavotra, momba anao, anaranao, niantso, sns. 4. VOTOATINY (Fiarovana) 43:1 • Nahary sy namorona Andriamanitra: Misy fifandraisana manokana aminy ianao. • Nanavotra: Novidiny lafo ny fanafahana anao. • Niantso ny anarana: Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny tsirairay. 43:2 • Amin’ny fotoanan’ny loza dia eo mandrakariva Andriamanitra. • Voajanahary ny loza (rano) mety vokatry ny ataon’olombelona koa (afo): Miantoka ny fiarovana amin’izany Andriamanitra. 43:3 • Mampahatsiahy ny maha-izy azy Andriamanitra IHWH: Tompo sy Mpamonjy. • Firenena telo no indray hoentina manavotra ny Israely (Egypta, Seba, Etiopia). • Etiopia dia firenena tao atsimon’i Egypta ary tena nanankarena sy natanjaka ara-politika ary nanana fifandraisana akaiky tamin’i Egypta. Seba dia Yémen ankehitriny: Tompon’ny epice sy ny vato sarobidy. Egypta firenena natanjaka na dia efa notandindonin’ny Asyriana aza tamin’izany. 43:4 • Ny fitiavan’Andriamanitra no antony hiarovany ny olony. • Sarobidy loatra amin’Andriamanitra ianao matoa avotany. 43:5-6 • Efa fiarovana ny fampiombonana (famoriana) sady fanehoan’Andriamanitra ny fahefany amin’ny vazan-tany rehetra. • Ho an’ny rehetra ny fiarovana ary tsy afaka miala amin’ny tondrozotran’Andriamanitra isika raha te ho voaaro. 43:7 • Efa arofanina ho an’ny olon’Andriamanitra ny fahatsiarovany fa nisy izy mba hanome voninahitra an’Andriamanitra. • Miverina eto ny hoe "Nantsoina", "noforonina". FEHINY: Ny Isaia 43:1-7 dia manambara ny fiarovan’Andriamanitra miorina amin’ny fitiavany sy ny fanatrehany, ny fanavotany, ary ny fanomezany lanja ny tsirairay. 5. FAMPIHARANA 1. Manonona vavaka fisaorana ny amin’ny fiarovan’Andriamanitra eo anatrehan’ny rotorotom-piainana. 2. Manokana fotoana handinihanao ny fanatrehan’Andriamanitra tsy tapaka ny fiainanao (Hay teo foana i Kristy). 3. Efa hifarana ny lohahevitra "Miaro ny olony ny Tompo": Ataovy tadidy ny andinin-tsoratra Masina milaza ny fiarovan’Andriamanitra. Raiso ho anao ireny (Aza avela handalo na omena ny hafa). 4. Tsarovy fa olona manan-danja ianao ary aza vingavingaina ny hafa (Aza manao tsinontsinona olona). 5. Mahaiza mifanatona sy mifamonjy. 6. Ataovy tanjon’ny fiainanao ny voninahitr’Andriamanitra. 7. Aza adinoina ny mijoro vavolombelona amin’izay efa niarovan’Andriamanitra anao mba ho hery ho an’ny hafa izany. VAVAKA MANGINA + RZA

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 119/129-136 Hira 36: (Moa ho haiko tantaraina) Vavaka Hira 190: 1(Ry Fanahy Mpanazava) / 3 (Rainay Mpanome ny soa) SM :Isaia 43:1-7 Hira 332: 1(lzaho va Jesosy o) FMSM Vavaka + RZA Hira 512: 2(Tahotra aman'ahiahy) Tsodrano

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Isaia 62:1+10-12 Hira 351 (Tsy hangina re ny hoby)... Vavaka Hira 760 2 (Aza mba manadino ny tanindrazanao) SM Lioka 21:34-36 Hira 734 1- (Zanahary o tahio) 2- (Ireo mpitondra anay arovy) HAFATRA Vavaka +RZA FP4 Hira 545 2 (Ny tanindrazanay malala) TSODRANO

  • @modestineramamiarivony6526

    Miatrika fizahantoetra dia mahazo hery manana an'i Jéhovah Mpiady mahery , mankasitraka pasteur mamahana anay , Fiadanan'i JESOA ho anao sy ny ankohonanao .

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    Tsy miova tanteraka tokoa ny Tompo omaly sy anio ary homandrakizay 🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur Miarisoa @fampianaranao , itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava ny Fanahimasin'iTompo 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    TAHIRIN-KEVITRA fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/eksodosy-15-1-5-25-jona-2024/ EXODOSY 15:1-5 EKSODOSY: NY BOKY Isan’ny toko: 40 Andininy fototra: Eksodosy 12:23 Heviny: Fahafahana, fandalovana, na Pask’IHWH. Datin’ny tantara: Tokony ho tamin’ny taona 1446 BC (Miainga avy eo amin’ny I Mpanjaka 6:1: Nanorenana ny Tempoly tamin’ny taona 966 BC + 480 taona). Daty nanoratana miovaova tokony ho tamin’ny andron’i Mosesy, taon-jato faha-15 talohan’i Jesoa Kristy. Ireo mampiavaka ny boky: Betsaka Ny fivadihan’ny tantaran’ny Zanak'Israely (Eksodosy 3:8 ss) Ny loza folo (Eksodosy 7-12) NY TEKSTA Tonon-kiram-piderana taorin’ny famonjena ny Zanak'Israely tao amin'ny ranomasina mena (Salamo 136): Izy ity dia antsoina koa hoe fihiranan’i Mosesy na ny hiran’ny ranomasina. Votoatiny: 1- Fiderana ny herin’Andriamanitra tamin’ny fidirany an-tsehatra amin’ny fomba mahagaga ho famonjena ny Zanak'Israely. 2- Fankasitrahana an’Andriamanitra ILAY MPIADY MAHERY (and. 3): Tsy mpamonjy fotsiny izy fa mpitari-tafika koa. 3- Mandevona tanteraka ny fahavalo ny Tompo: Fampahoriana lalina ho valin’ny fampahoriana ny Zanak'Israely (and. 4-5). Tonon-kira fiderana manamarika kion-dalana lehibe eo amin’ny tantaran’ny Zanak'Israely ary maneho ny maha Andriamanitra mahatoky sy mahery an’Andriamanitra. Teny fanalahidy (10): Ireo teny izay milaza fanafahana, fiderana, ary manambara ny herin’Andriamanitra: 1. Mihira: Valin-tenin’ny olona amin’Andriamanitra. 2. Jehovah: ... 3. Voninahitra: Hery sy fahefana. 4. Ranomasina: Fahoriana lalina sy mavesatra. 5. Soavaly sy ny mpitaingina azy: Ny farao sy ny herin’ny miaramilany. 6. Hery-ko: Loharanon-kery sy famonjena ho an’ny olony ny Tompo. 7. Mpiady mahery: Mpiaro sy mpiady ho an’ny olony ny Tompo. 8. Farao: Fanononana ny mpanjakan’i Egypta, sarin’ny geja sy ny fatorana mahazo. 9. Famonjena. 10. Andriamanaitry ny razako: Fitohizan’ny finoana, fifandraisana amin’Andriamanitra manohy ny taranaka mifandimby, Andriamanitra tsy miova, fifamatorana ao amin’Andriamanitra tsy ho an’olon-tokana fa ho an’ny olom-boafidiny, fiorenan’ny lova ara-panahy, maha zava-dehibe ny fahatsiarovana. FAMPIHARANA (7): 1. Mahaiza midera sy mankasitraka. 2. Fantaro fa mahery ny Andriamanitra ivavahantsika. 3. Ampitao amin’ny hafa ny finoanao. 4. Iaino ny fiombonana. 5. Matokia an’Andriamanitra ao anatin’ny sarotra. 6. Fankasitrahana fa tsy fangatahana fotsiny ny vavaka. 7. Vakio manontolo ity tononkira ity. VAVAKA MANGINA + RZA

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 119 , 89 - 96 Hira 12 : 1 (Jehovah o!) 3 (Ry Masina manerinerina 5 (Andriananahary Masina o!) Vavaka Hira 201 : 2 (Avia Jeso o!) 3 (Fanahy Masina o!) SM : Eksodosy 15,1-5 Hira 437 : 1 (Ry Jesoa Kristy Tompo) Fiaraha-mandinika Soratra Masina (FMSM) Vavaka +RZA Hira 643 : 2 (O! mandrese ny finoana tano) TSODRANO

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    IARO ahy sy ny ankohonanako mandrakizay JESOA ,na mivoka na miditra 🙏 Mankasitraka Pasteur Miarisoa @fampianaranao , anombohana izao herinandro vaovao izao ,ny Fanahimasin'iTompo itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava tompoko 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    VAVAKA Vavaka ho an'ireo marefo sy mandalo ady sarotra mba hatoky ny fiasan'ny Teny Fikasan'ny Salamo 121,8. Tontolon'ny asa Tontolon'ny fianakaviana Tontolon'ny zanaka Tontolon'ny fanapahan-kevitra Tontolon'ny firenena Tontolon'ny mpandeha an'habakabaka sy an-tanety Tontolon'ny fiangonana Tontolon'ny ara-panahin'ny vahoakan'Andriamanitra

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    HAFATRA Salamo 121,8 Fiarovana mamakivaky ny làlana (Mivoaka na miditra) Ohatra: Zanak'Israely namakivaky ny Tany efitra 40 taona niaraka tami'nny andry afo sy ny andry rahona. Ohatra miiba: Ny fomban'ny fakana fiarovana raha handeha lavitra... Fiarovana mamakivaky ny fotoana (hatramin'izao ka ho mandrakizay) Jehovah: tsy miova sy maharitra. Ny zava-mitranga mety miova fa IZY tsy miova. Ny famantaran'andro no miodina fa ny Tompo manatrika lalandava. Ny olona no miteny mandra-pihaona fa Izy tsy manao veloma anao na iray minitra aza. Fampiharana Manomboka izao dia mariho ao amin'ny firaketanao ireo trangan-javatra nahatsapanao ny fahamarinan'izao Salamo 121,8 izao. Manomboka izao, omeo toky ny saro-tahotry ny zava-misy sy be fanahina ny amin'ny ho avy fa misy ny Salamo 121,8 ary tsy mamitaka ny Tompo. Ny matoky no anjarantsika.

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 130 Hira 14 (O ry tany rehetra...) Vavaka Hira 357/3 ( Ry mpanota henoy izao) SM :Sal 121 Hira 480/1(Mamin'ny foko ry Jesoa o) HAFATRA Vavaka + RZA Hira HF 34/1(Tompo malala o) Tsodrano

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    Sal. 47. 6-9 171 788.1 F28 Mpa 16.8-10 Lio. 21.34-36 Tes. 5.4-11 F39.2 409.1-2 539.1 409 471 334.1-2

  • @modestineramamiarivony6526

    Finaritra tompoko, mankasitraka an'i Pasteur fa mitombo ny finoana @ mofonaina, mivavaka ho anao omen'ny TOMPO fahalalana sy fahasalamana Hery sy tanjaka ,dia JESOA hamaly fitia @ fihazakazahana mizara tenin' Andriamanitra. Misaotra ny taknisiana koa Tahian'i JESOA aby tompoko

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA Hitantsika ihany koa amin'ity rohy ity manaraka ity : fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/1-sam-7-2-14-zoma-21-jona-2024/ 1. NY BOKY: Toko 31 izay mitantara ny zavaniseho tamin'ny taona 1149-1055 BC nosoratana tamin'ny 1055 BC. Samoela = Ilay nohenoin’Andriamanitra. Ato no voalaza voalohany ny teny hoe MESIA (Ilay voahosotra) ao amin'ny I Samoela 2:10. Vanim-potoanan’ny tetezamita hidirana amin’ny fananana mpanjaka ny vanim-potoana Samoela. Saoly no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely (I Samoela 8:4-5) tamin'ny taona 1120 BC. Ny boky dia manomboka amin’ny nahaterahan’i Samoela ary mifarana amin’ny nahafatesan’i Saoly. 2. VAKITENY (I Samoela 7:2-14) Ity anjara vakiteny ity dia ialohavan’ny nangalan’ny filistina ny fiaran’ny fanekena (toko 5 sy 6) sy ny loza nanjo azy ireo ary ny famerenana izany. 3. IREO TOKONY HO MARIHINA 31. Mpandray anjara: IHWH Samoela Ny israelita Filistina 311. Filistina: Ireo tany amorontsiraka atsimon’ny tany Kanana. Ny mponina dia avy amin’izany atao hoe Kaftora (any Egypta) Jeremia 47:4, Amosa 9:7, Genesisy 10:14, Deoteronomia 2:23. Efa tamin’ny andron’i Samsona no nanafika ny Zanak'Israely ny Filistina. Ny sampiny dia ilay atao hoe Dagona (I Samoela 5:2-3). 312. Israelita: Olon’ny firenena voafidy (Jiosy). Israelita: Hevitry ny fifidianana sy ny famonjena ary ny finoana sy ny fanantenana ny Mesia. Hebreo na Jiosy. 313. Samoela: Zanaky ny fiaretana, zaza valim-bavaka. Natolotra ny Tompo raha vao nisara-nono ary nahazo ny fiantsoana maha-mpaminany tamin’ny andron’i Ely (Toko 3). Tonga mpitsara izy rehefa maty Ely (Toko 7). 314. IHWH: Andriamanitra mamakivaky ny tantara sy mpamonjy ary mpanafaka, mpiady ho an’ny Zanak'Israely (Eksodosy 3:14). Fanamarihana : MIZPA = Tilikambo fitazanana. Tanàna niorina teo amin’ny toerana avo ary mahatsinjo lavitra. Toerana fanaovana fivoriam-ben’ny vahoaka (Mpitsara 20-21, I Samoela 10:17-24 fifidianana mpanjaka). Hevi-panahy: Toerana fitadiavana ny Tompo amin’ny fotoanan’ny krizy. Fibebahana sy fanavaozana. 32. Ny trangan-javatra miavaka (07) 20 taona no tao Kiriata-Jearima ny Fiaran’ny fanekena (and. 1). Samoela miantso fibebahana (and. 2). Niaiky sy nanary ny sampiny ny israelita (and. 4). Samoela nivavaka ho an’ny Israely (and. 5-6). Nanafika ny filistina ary namely tamin'ny kotroka (and. 7-11). Tafaverina ny tanin’Israely (and. 13-14). Nanangana vato i Samoela « EBENEZERA » (and. 12). 4. IREO TOKONY HALALININA Ny fibebahana (and. 3-4). Ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny mpitarika ara-panahy sy ny vavaka fangatahana (and. 7-11). Nanao ahoana ny asan’Andriamanitra vokatry ny fibebahan’ny Israely sy ny vavaka nataon’i Samoela (and. 7-11). Inona no nilana ny « EBENEZERA »? 5. FAMPIHARANA Hevero izay tokony hibebahanao. Inona ny tokony hangatahinao amin’Andriamanitra (Misy ady atrehinao ve?). Inona no efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ka nanangananao « EBENEZERA »? 6. FIARAHAMIDINIKA Misy andriamani-kafa ve tokony esorinao eo amin’ny fiainanao (sampy)? Ahoana no atao hivavahana ho an’ny Fiangonana sy ny firenena (Fantaro ny zava-misy) « EBENEZERA » toy inona no heverinao aorina ho fahatsiarovana ny asan’Andriamanitra? 7. FINTINA Mibebaha dia mivavaha ary manantenà (2 Tantara 7:14 sy Jakoba 5:16). 8. VAVAKA Vavaka mangina.

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    Ialàna tsiny ny tsy fahatomombanan'ny feo noho ny olana ara-teknika.

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 18/1-3 Hira 21(Derao Andriamanitra) Vavaka Hira 212/1(Velona sy mahery) /2 (Sabatra roa lela) SM:1Sam 7/2-14 Hira 619 /1(Ry raiko o tariho ny zanakao) /4(Na mbola lavitra aza re...) FMSM Vavaka + RZA Hira 645/1(Jesosy kapiteninay) Tsodrano

  • @rajaonarisonnorotiana5184

    VOARAY tanteraka 💯 ny hafatra mafonja Pasteur Miarisoa, AZY Tompo irery hatrany ny fahefana 🙏 Mankasitraka indrindra tompoko, itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava koa ny FINOANA izay namonjena antsika tompoko 😇

  • @modestineramamiarivony6526

    Finaritra tompoko , mankasitraka pasteur fa manankarena ny tenin'Andriamanitra, mampahery anay foana ny mofonaina ,homba anao ny TOMPO, mirarisoa tompoko Mankasitraka ny teknisiana koa , tahin'i JESOA

  • @fanekenatomefy5877
    @fanekenatomefy5877 Před 23 dny

    Mankasitraka indrindra nizara

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    HAFATRA Marka 4:35-41 1. Fampandinihan-tena: (and. 40) Efa manana finoana ve ianao ka tsy saro-tahotra? Vakio sy diniho ny Hebreo 11 (Ny toko-n'ny finoana). Izay hamantarana fa manana finoana ianao dia: 1.1 Ianao feno fankatoavana (Abrahama, Genesisy 12 sy 22) 1.2 Ianao Feno fahatokiana (Davida sy Goliata, I Samoela 17) 1.2 Ianao feno vavaka (Daniela 6: Daniela sy lavaky ny liona) 1.4 Ianao feno fanoloran-tena (Jakoba: Finoana sy ny asa) 1.5 Ianao feno fiovana (I Korintiana 5:17) PTQ : Refeso ny tenanao. ANTSO: Efa manana finoana ve ianao? 2. Fampaherezana: (and. 41) Atanjaho ny finoana mba ho tonga Tahotra ny tahotra (mivoraka). Vokatra telon'ity fampitoniana ity dia ny Tahotra, ny fahagagana, ny fahalalana (fiaikena). Ny tahotry ny ho faty lasa Tahotra tsy hay hazavaina. Mahita sy miaiky an'i Jesoa. Tsy Jesoa Matory fa Jesoa mampitony: Miasa ka mandresy ny tabataba sy ny korontana. PTQ : Andriamanitra o! (tahotra) ANDRIAMANITRA O! (Tahotra) ANTSO: Atanjaho ny finoana (Soratra Masina sy vavaka) mba ho tonga Tahotra miharo fahagagana sy fitomboana amin'ny fahalalana ny herin'i Jesoa ny fiainanao. Fehiny: 1. Refeso ny tenanao: Efa manana finoana ve ianao? 2. Herezo mba ho finoana hampahita anao ny herin'i JESOA KRISTY ny finoanao.

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA Sal 107/23-30 Hira 539 (Faly dia faly...) Vavaka Hira 786/1(Ny Teninao Jehovah) SM Marka4,35-41 Hira 473/4 (tsy mahaleo tena izahay) 5 (Ny teninao no fifalianay) HAFATRA Vavaka + RZA FP3 Hira HF 24/2(Mandrosoa,Miasa, tano ny finoana) TSODRANO

  • @fanekenatomefy5877
    @fanekenatomefy5877 Před 23 dny

    Mankasitraka indrindra nizara

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    SALAMO 91:1-13 NY BOKY Salamo dia tonon-kira ampiarahina amin'ny zavamaneno. Voasoratra araka ny trangan-javatra niseho tamin'ny fiainan'ny Fiangonana na fiainan'ny mpanompon'Andriamanitra. Voaangona tamin'ny taonjato faha-3 talohan'i Jesoa Kristy. Misy toko 150 izay mizara ho boky 5 (tahaka ny hoe boky 5 ao amin'ny Pentateoka): Boky voalohany: Salamo 1-41 Boky faharoa: Salamo 42-72 Boky fahatelo: Salamo 73-89 Boky fahefatra: Salamo 90-106 Boky fahadimy: Salamo 107-150 Antony: Fitovitoviany ara-potokevitra na gadona Fampiasana azy ao amin'ny fanompoam-pivavahana Tantara mifamatotra aminy (Fiangonana na olona) Boky fahefatra: Mampivoitra ny fahalehibiazan'Andriamanitra, ny maha-voafetra sy malemy ny olona, ny maha Andriamanitra fialofana sy mpiaro, Andriamanitra Mpitsara, ary manao ho zava-dehibe ny fanekena. Salamo 91: Mpanoratra: ??? Tantara lafika dia ny 2 Samoela 24:15, sazy vokatry ny fanisana tsy nankasitrahan'ny Tompo. Ara-tantara koa, tamin'ny taona 1870, ireo mpitsabo mihitsy no nivoy ity salamo ity ho fiarovana amin'ny aretina mandringana (kolera). Tamin'ny taona 2019 (COVID-19), Romana 8:31 « Raha Andriamanitra no momba antsika... » Ireto no hevitra azo raisina ho fiainana: Fiarovan'Andriamanitra: Voaaro izay ao amin'Andriamanitra (and. 1,2) Azo antoka ny fiarovan'Andriamanitra (and. 2,3,4,7,8) Manafaka amin'ny tahotra Andriamanitra (and. 5,6) Anjely mpiambina (and. 11,12,13) Ity Salamo ity dia manampy antsika mpino izay mitady fampaherezana sy fiarovana avy amin'Andriamanitra manoloana ny tahotra sy ny loza. VOAMBOLANA: Anaran'Andriamanitra 4 (and. 1,2): Avo Indrindra (Elyon): Manjakazaka sy ambony, tsy voafetra sy tsy takatra, mahasehaka ny rehetra, Andriamanitra tsy misy sisitany. Tsitoha: Manana ny fahefana tsy azo songonana, mpamorona sady tompony ary mitondra ny voariny araka ny sitrapony nefa amin'ny fitiavana. Haiony ny zavatra rehetra. Ao aminy ny rariny sy ny fitsarana. (Eo ambany fanaraha-mason'Andriamanitra ny zavatra rehetra). Jehovah / YHWH: Mandrakizay, tsy miova, akaikin'ny vahoakany. Andriamanitra: Ambony, mpahary tokana, mahery, manerana, mihazona ny zava-boariny (tia sy marina ary mpamindra fo). Fiarovana: Fierena (and. 1) Aloka (and. 1) Fialofako (and. 2) Batery fiarovana (and. 2) Volon'elany (and. 4) Elany (and. 4) Ampinga kely sy lehibe (and. 4) Tanany (and. 12)