MOFONAINA 21 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 3. 08. 2024
  • MOFONAINA ZOMA 21 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
    fjkmisotryfitiavana.org/fampi...
    =========
    Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany. - I Samoela 7 : 4
    ==========
    FANDAHARANA
    Sal 18/1-3
    Hira 21(Derao Andriamanitra)
    Vavaka
    Hira 212/1(Velona sy mahery) /2 (Sabatra roa lela)
    SM:1Sam 7/2-14
    Hira 619 /1(Ry raiko o tariho ny zanakao) /4(Na mbola lavitra aza re...)
    FMSM
    Vavaka + RZA
    Hira 645/1(Jesosy kapiteninay)
    Tsodrano
    ===========
    FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA
    1. NY BOKY: Toko 31 izay mitantara ny zavaniseho tamin'ny taona 1149-1055 BC nosoratana tamin'ny 1055 BC. Samoela = Ilay nohenoin’Andriamanitra. Ato no voalaza voalohany ny teny hoe MESIA (Ilay voahosotra) ao amin'ny I Samoela 2:10. Vanim-potoanan’ny tetezamita hidirana amin’ny fananana mpanjaka ny vanim-potoana Samoela. Saoly no mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely (I Samoela 8:4-5) tamin'ny taona 1120 BC. Ny boky dia manomboka amin’ny nahaterahan’i Samoela ary mifarana amin’ny nahafatesan’i Saoly.
    2. VAKITENY (I Samoela 7:2-14)
    Ity anjara vakiteny ity dia ialohavan’ny nangalan’ny filistina ny fiaran’ny fanekena (toko 5 sy 6) sy ny loza nanjo azy ireo ary ny famerenana izany.
    3. IREO TOKONY HO MARIHINA
    31. Mpandray anjara:
    IHWH
    Samoela
    Ny israelita
    Filistina
    311. Filistina: Ireo tany amorontsiraka atsimon’ny tany Kanana. Ny mponina dia avy amin’izany atao hoe Kaftora (any Egypta) Jeremia 47:4, Amosa 9:7, Genesisy 10:14, Deoteronomia 2:23. Efa tamin’ny andron’i Samsona no nanafika ny Zanak'Israely ny Filistina. Ny sampiny dia ilay atao hoe Dagona (I Samoela 5:2-3).
    312. Israelita: Olon’ny firenena voafidy (Jiosy). Israelita: Hevitry ny fifidianana sy ny famonjena ary ny finoana sy ny fanantenana ny Mesia. Hebreo na Jiosy.
    313. Samoela: Zanaky ny fiaretana, zaza valim-bavaka. Natolotra ny Tompo raha vao nisara-nono ary nahazo ny fiantsoana maha-mpaminany tamin’ny andron’i Ely (Toko 3). Tonga mpitsara izy rehefa maty Ely (Toko 7).
    314. IHWH: Andriamanitra mamakivaky ny tantara sy mpamonjy ary mpanafaka, mpiady ho an’ny Zanak'Israely (Eksodosy 3:14).
    Fanamarihana :
    MIZPA = Tilikambo fitazanana. Tanàna niorina teo amin’ny toerana avo ary mahatsinjo lavitra. Toerana fanaovana fivoriam-ben’ny vahoaka (Mpitsara 20-21, I Samoela 10:17-24 fifidianana mpanjaka).
    Hevi-panahy: Toerana fitadiavana ny Tompo amin’ny fotoanan’ny krizy. Fibebahana sy fanavaozana.
    32. Ny trangan-javatra miavaka (07)
    20 taona no tao Kiriata-Jearima ny Fiaran’ny fanekena (and. 1).
    Samoela miantso fibebahana (and. 2).
    Niaiky sy nanary ny sampiny ny israelita (and. 4).
    Samoela nivavaka ho an’ny Israely (and. 5-6).
    Nanafika ny filistina ary namely tamin'ny kotroka (and. 7-11).
    Tafaverina ny tanin’Israely (and. 13-14).
    Nanangana vato i Samoela « EBENEZERA » (and. 12).
    4. IREO TOKONY HALALININA
    Ny fibebahana (and. 3-4).
    Ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny mpitarika ara-panahy sy ny vavaka fangatahana (and. 7-11).
    Nanao ahoana ny asan’Andriamanitra vokatry ny fibebahan’ny Israely sy ny vavaka nataon’i Samoela (and. 7-11).
    Inona no nilana ny « EBENEZERA »?
    5. FAMPIHARANA
    Hevero izay tokony hibebahanao.
    Inona ny tokony hangatahinao amin’Andriamanitra (Misy ady atrehinao ve?).
    Inona no efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ka nanangananao « EBENEZERA »?
    6. FIARAHAMIDINIKA
    Misy andriamani-kafa ve tokony esorinao eo amin’ny fiainanao (sampy)?
    Ahoana no atao hivavahana ho an’ny Fiangonana sy ny firenena (Fantaro ny zava-misy)
    « EBENEZERA » toy inona no heverinao aorina ho fahatsiarovana ny asan’Andriamanitra?
    7. FINTINA
    Mibebaha dia mivavaha ary manantenà (2 Tantara 7:14 sy Jakoba 5:16).
    8. VAVAKA
    Vavaka mangina.
    ==========
    00:00 Lohateny
    00:10 Fiderana Sal 18/1-3
    02:05 Soratra Masina 1Sam 7/2-14
    05:58 Fiaraha-mandinika Soratra Masina
    53:39 Vavaka
    54:29 Tsodrano

Komentáře • 4

  • @modestineramamiarivony6526
    @modestineramamiarivony6526 Před měsícem

    Finaritra tompoko, mankasitraka an'i Pasteur fa mitombo ny finoana @ mofonaina, mivavaka ho anao omen'ny TOMPO fahalalana sy fahasalamana Hery sy tanjaka ,dia JESOA hamaly fitia @ fihazakazahana mizara tenin' Andriamanitra.
    Misaotra ny taknisiana koa
    Tahian'i JESOA aby tompoko

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    Ialàna tsiny ny tsy fahatomombanan'ny feo noho ny olana ara-teknika.

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA
    Sal 18/1-3
    Hira 21(Derao Andriamanitra)
    Vavaka
    Hira 212/1(Velona sy mahery) /2 (Sabatra roa lela)
    SM:1Sam 7/2-14
    Hira 619 /1(Ry raiko o tariho ny zanakao) /4(Na mbola lavitra aza re...)
    FMSM
    Vavaka + RZA
    Hira 645/1(Jesosy kapiteninay)
    Tsodrano

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FIARAHA-MANDINIKA SORATRA MASINA
    Hitantsika ihany koa amin'ity rohy ity manaraka ity :
    fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/1-sam-7-2-14-zoma-21-jona-2024/