MOFONAINA 18 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 3. 08. 2024
  • MOFONAINA TALATA 18 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA
    fjkmisotryfitiavana.org/fampi...
    Eny an-tanany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. - Salamo 91 : 12
    (Fiaraha-mandinika Soratra Masina)
    =========
    FANDAHARANA
    Sal 119. 113-117
    Hira 617"Aza manadino ahy..."
    Vavaka
    Hira 351:1"Tsy hangina re ny hoby'
    SM Sal 91: 1-13
    Hira 469/(Jesoa o mpitia anay)
    1- Maminay ny teninao
    3- Tompon'aina ianao
    FMSM
    Vavaka+RZA
    Hira 543/2(Ny ratran'ny Mpamonjinao)
    TSODRANO
    =========
    FANAZAVANA :
    Ny tahirin-kevitra nozaraina dia itantsika eo amin'ny "Commentaire" na amin'ity rohy manaraka ity :
    fjkmisotryfitiavana.org/fampi...
    ==========
    00:00 Lohateny
    00:10 Fiderana Sal 119. 113-117
    02:54 Soratra Masina Sal 91: 1-13
    05:43 Fiaraha-mandinika Soratra Masina
    46:01 Vavaka
    47:59 Tsodrano

Komentáře • 4

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  Před měsícem +1

    Ny tahirin-kevitra nozaraina dia azontsika jerena amin'ity rohy manaraka ity (na koa eo amin'ny "commentaire" manaraka) :
    fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/salamo-911-13-talata-18-jona-2024/

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA
    Sal 119. 113-117
    Hira 617"Aza manadino ahy..."
    Vavaka
    Hira 351:1"Tsy hangina re ny hoby'
    SM Sal 91: 1-13
    Hira 469/(Jesoa o mpitia anay)
    1- Maminay ny teninao
    3- Tompon'aina ianao

    FMSM
    Vavaka+RZA
    Hira 543/2(Ny ratran'ny Mpamonjinao)
    TSODRANO

  • @fanekenatomefy5877
    @fanekenatomefy5877 Před měsícem

    Mankasitraka indrindra nizara

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    SALAMO 91:1-13
    NY BOKY
    Salamo dia tonon-kira ampiarahina amin'ny zavamaneno. Voasoratra araka ny trangan-javatra niseho tamin'ny fiainan'ny Fiangonana na fiainan'ny mpanompon'Andriamanitra. Voaangona tamin'ny taonjato faha-3 talohan'i Jesoa Kristy.
    Misy toko 150 izay mizara ho boky 5 (tahaka ny hoe boky 5 ao amin'ny Pentateoka):
    Boky voalohany: Salamo 1-41
    Boky faharoa: Salamo 42-72
    Boky fahatelo: Salamo 73-89
    Boky fahefatra: Salamo 90-106
    Boky fahadimy: Salamo 107-150
    Antony:
    Fitovitoviany ara-potokevitra na gadona
    Fampiasana azy ao amin'ny fanompoam-pivavahana
    Tantara mifamatotra aminy (Fiangonana na olona)
    Boky fahefatra:
    Mampivoitra ny fahalehibiazan'Andriamanitra, ny maha-voafetra sy malemy ny olona, ny maha Andriamanitra fialofana sy mpiaro, Andriamanitra Mpitsara, ary manao ho zava-dehibe ny fanekena.
    Salamo 91:
    Mpanoratra: ???
    Tantara lafika dia ny 2 Samoela 24:15, sazy vokatry ny fanisana tsy nankasitrahan'ny Tompo. Ara-tantara koa, tamin'ny taona 1870, ireo mpitsabo mihitsy no nivoy ity salamo ity ho fiarovana amin'ny aretina mandringana (kolera). Tamin'ny taona 2019 (COVID-19), Romana 8:31 « Raha Andriamanitra no momba antsika... »
    Ireto no hevitra azo raisina ho fiainana:
    Fiarovan'Andriamanitra: Voaaro izay ao amin'Andriamanitra (and. 1,2)
    Azo antoka ny fiarovan'Andriamanitra (and. 2,3,4,7,8)
    Manafaka amin'ny tahotra Andriamanitra (and. 5,6)
    Anjely mpiambina (and. 11,12,13)
    Ity Salamo ity dia manampy antsika mpino izay mitady fampaherezana sy fiarovana avy amin'Andriamanitra manoloana ny tahotra sy ny loza.
    VOAMBOLANA:
    Anaran'Andriamanitra 4 (and. 1,2):
    Avo Indrindra (Elyon): Manjakazaka sy ambony, tsy voafetra sy tsy takatra, mahasehaka ny rehetra, Andriamanitra tsy misy sisitany.
    Tsitoha: Manana ny fahefana tsy azo songonana, mpamorona sady tompony ary mitondra ny voariny araka ny sitrapony nefa amin'ny fitiavana. Haiony ny zavatra rehetra. Ao aminy ny rariny sy ny fitsarana. (Eo ambany fanaraha-mason'Andriamanitra ny zavatra rehetra).
    Jehovah / YHWH: Mandrakizay, tsy miova, akaikin'ny vahoakany.
    Andriamanitra: Ambony, mpahary tokana, mahery, manerana, mihazona ny zava-boariny (tia sy marina ary mpamindra fo).
    Fiarovana:
    Fierena (and. 1)
    Aloka (and. 1)
    Fialofako (and. 2)
    Batery fiarovana (and. 2)
    Volon'elany (and. 4)
    Elany (and. 4)
    Ampinga kely sy lehibe (and. 4)
    Tanany (and. 12)