MOFONAINA 25 JONA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 3. 08. 2024

Komentáře • 4

  • @modestineramamiarivony6526
    @modestineramamiarivony6526 Před měsícem

    Miatrika fizahantoetra dia mahazo hery manana an'i Jéhovah Mpiady mahery , mankasitraka pasteur mamahana anay , Fiadanan'i JESOA ho anao sy ny ankohonanao .

  • @rajaonarisonnorotiana5184
    @rajaonarisonnorotiana5184 Před měsícem

    Tsy miova tanteraka tokoa ny Tompo omaly sy anio ary homandrakizay 🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur Miarisoa @fampianaranao , itoetra ao aminao sy ny ankohonanao lalandava ny Fanahimasin'iTompo 😇

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    FANDAHARANA
    Sal 119 , 89 - 96
    Hira 12 : 1 (Jehovah o!)
    3 (Ry Masina manerinerina
    5 (Andriananahary Masina o!)
    Vavaka
    Hira 201 : 2 (Avia Jeso o!)
    3 (Fanahy Masina o!)
    SM : Eksodosy 15,1-5
    Hira 437 : 1 (Ry Jesoa Kristy Tompo)
    Fiaraha-mandinika Soratra Masina (FMSM)
    Vavaka +RZA
    Hira 643 : 2 (O! mandrese ny finoana tano)
    TSODRANO

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb

    TAHIRIN-KEVITRA
    fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/fiaraha_mandinika_soratra_masina/eksodosy-15-1-5-25-jona-2024/
    EXODOSY 15:1-5
    EKSODOSY: NY BOKY
    Isan’ny toko: 40
    Andininy fototra: Eksodosy 12:23
    Heviny: Fahafahana, fandalovana, na Pask’IHWH.
    Datin’ny tantara: Tokony ho tamin’ny taona 1446 BC (Miainga avy eo amin’ny I Mpanjaka 6:1: Nanorenana ny Tempoly tamin’ny taona 966 BC + 480 taona). Daty nanoratana miovaova tokony ho tamin’ny andron’i Mosesy, taon-jato faha-15 talohan’i Jesoa Kristy.
    Ireo mampiavaka ny boky:
    Betsaka
    Ny fivadihan’ny tantaran’ny Zanak'Israely (Eksodosy 3:8 ss)
    Ny loza folo (Eksodosy 7-12)
    NY TEKSTA
    Tonon-kiram-piderana taorin’ny famonjena ny Zanak'Israely tao amin'ny ranomasina mena (Salamo 136): Izy ity dia antsoina koa hoe fihiranan’i Mosesy na ny hiran’ny ranomasina.
    Votoatiny:
    1- Fiderana ny herin’Andriamanitra tamin’ny fidirany an-tsehatra amin’ny fomba mahagaga ho famonjena ny Zanak'Israely.
    2- Fankasitrahana an’Andriamanitra ILAY MPIADY MAHERY (and. 3): Tsy mpamonjy fotsiny izy fa mpitari-tafika koa.
    3- Mandevona tanteraka ny fahavalo ny Tompo: Fampahoriana lalina ho valin’ny fampahoriana ny Zanak'Israely (and. 4-5).
    Tonon-kira fiderana manamarika kion-dalana lehibe eo amin’ny tantaran’ny Zanak'Israely ary maneho ny maha Andriamanitra mahatoky sy mahery an’Andriamanitra.
    Teny fanalahidy (10):
    Ireo teny izay milaza fanafahana, fiderana, ary manambara ny herin’Andriamanitra:
    1. Mihira: Valin-tenin’ny olona amin’Andriamanitra.
    2. Jehovah: ...
    3. Voninahitra: Hery sy fahefana.
    4. Ranomasina: Fahoriana lalina sy mavesatra.
    5. Soavaly sy ny mpitaingina azy: Ny farao sy ny herin’ny miaramilany.
    6. Hery-ko: Loharanon-kery sy famonjena ho an’ny olony ny Tompo.
    7. Mpiady mahery: Mpiaro sy mpiady ho an’ny olony ny Tompo.
    8. Farao: Fanononana ny mpanjakan’i Egypta, sarin’ny geja sy ny fatorana mahazo.
    9. Famonjena.
    10. Andriamanaitry ny razako: Fitohizan’ny finoana, fifandraisana amin’Andriamanitra manohy ny taranaka mifandimby, Andriamanitra tsy miova, fifamatorana ao amin’Andriamanitra tsy ho an’olon-tokana fa ho an’ny olom-boafidiny, fiorenan’ny lova ara-panahy, maha zava-dehibe ny fahatsiarovana.
    FAMPIHARANA (7):
    1. Mahaiza midera sy mankasitraka.
    2. Fantaro fa mahery ny Andriamanitra ivavahantsika.
    3. Ampitao amin’ny hafa ny finoanao.
    4. Iaino ny fiombonana.
    5. Matokia an’Andriamanitra ao anatin’ny sarotra.
    6. Fankasitrahana fa tsy fangatahana fotsiny ny vavaka.
    7. Vakio manontolo ity tononkira ity.
    VAVAKA MANGINA + RZA