FA TSY HOE Mgr Jean Paul RANDRIAMANANA/Ankalazao Ny Tompo

SdĂ­let
VloĹžit
  • čas přidĂĄn 5. 09. 2024
  • 👉👉 • ASIO VONINKAZO NY LAPA...
    FA TSY HOE
    Fa tsy hoe haita ny rano fisotro,
    Higoka ny mamy ho anao samirery,
    Tsy izay no manosika antsika isan’andro,
    Fa raha izay e, fitiavan-tena.
    Tsy hoe manantena ny takalom-patsa,
    Tsy hoe sasa-miandry ny aterok’ alao,
    Tsy izay no mangaika ny hitiavana ny olona,
    Fa raha izay e, fitian-tena.
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Raha niahaona tamin’ ilay Samaritanina,
    Izy andriamanitra nanaka-dresaka,
    Resaka hatrany amin’ ny ati-fanahy.
    Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina Ă´,
    Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo,
    Teraka teo ny fanantenana,
    Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo ô
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Ankehitriny Izy mitady anao,
    Izy no tonga mitafa aminao,
    Resaka tsotra ilazany hoe,
    Raha fantatrao manko ny fanomezan’ Andriamanitra,
    Raha fantatrao Ă´,
    Dia ianao no hangetaheta,
    Hangetahheta ny fiainan’ ny Tompo ô,
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Dia fanomezan’ Andriamanintsika
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Fiainantsika Izy e.
    Fa tsy hoe hitsipaka ny ara-panahy,
    Hanidy ny fo tsy hidiran’ ny Tompo,
    Tsy izay no mampiadana antsika olombelona,
    Fa ra izay e, kimpantsona foana.
    Tsy toin’ ny sakamalao sy avozo,
    Tsy hoe sasanangy mandrirotra hoazy,
    Tsy izay Izy Tompo sy ny fiainantsika,
    Fa ra izay e, kimpantsona foana.
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Raha niahaona tamin’ ilay Samaritanina,
    Izy Andriamanitra nanaka-dresaka,
    Resaka hatrany amin’ ny ati-fanahy.
    Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina Ă´,
    Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo,
    Teraka teo ny fanantenana,
    Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo ô
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Ankehitriny Izy mitady anao,
    Izy no tonga mitafa aminao,
    Resaka tsotra ilazany hoe,
    Raha fantatrao manko ny fanomezan’ Andriamanitra,
    Raha fantatrao Ă´,
    Dia ianao no hangetaheta,
    Hangetahheta ny fiainan’ ny Tompo ô,
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Dia fanomezan’ Andriamanintsika
    Jesoa Kristy Tompotsika Ă´ !
    Fiainantsika Izy e.

Komentáře • 20

  • @dannyandriasoavina8011
    @dannyandriasoavina8011 Před 2 lety +5

    Afa ihany ny asasoratr' Msgr Jean Paul

  • @samdadds6284
    @samdadds6284 Před 2 lety +6

    Mankasitraka ny mpamoaka ity tononkira ity satria manampy anay betsaka indrindra amin' ny fampisehoanay ny tonon-kira amin' ny petadrindrina sady mazava tsara ny anareo!!! Misaotra indrindra eeee!!!

  • @nalisoarajerison2172
    @nalisoarajerison2172 Před 2 lety +3

    mankasitraka Mgr Jean Paul!!!efa version ODAM Mahamasina sy Père Dominique izy izany

  • @razanahasinathinah4971
    @razanahasinathinah4971 Před rokem +1

    misaotra an'i Mgr JeanPaul fa tena lalina ny hafatra voiziny ao anatin'ny hira. Maty namela vato namenan- kafatra izy
    amin'io hira io

  • @nirinapaul8235
    @nirinapaul8235 Před rokem

    Manja be ny tonony - manja be ny feony- misaotra anareo nizara mba hahafahanay mizara koa - Voninahitra ho an'i Tompo.

  • @jennyannienantenantsoa9748
    @jennyannienantenantsoa9748 Před 2 lety +2

    Misaotra mizara tonony sy sary mifandraika fa afapo izahay

  • @tovoclementjeandedieu2870
    @tovoclementjeandedieu2870 Před 3 měsĂ­ci +1

    Tsara be❤❤❤

  • @nirikoelajeanverdi
    @nirikoelajeanverdi Před rokem

    Misaotra anareo mpikalo ny hira mivavaka ho an'i Mgr Jean Paul RANDRIAMANANA

  • @iaritinaaimee780
    @iaritinaaimee780 Před rokem +1

    sambatra ianao Mgr Jean Paul efa mahita ny tavan'ilay Masina indrindra.. tiako loatra ity hita ity

  • @louisnaivo
    @louisnaivo Před rokem +1

    Merci mon seigneur et repose en apix

  • @amboaranasandratra7438
    @amboaranasandratra7438 Před 2 lety +2

    Tena manome aimpanahy mahafinaritra ity hira ity fa misaotra indrindra tamin' ny fampizarana!!

  • @mobtok3035
    @mobtok3035 Před 2 lety +2

    Jesoa Kristy Tompotsika ô! Raha niahaona tamin’ ilay Samaritanina, Izy andriamanitra nanaka-dresaka, Resaka hatrany amin’ ny ati-fanahy

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 Před rokem

    Tompontsika Jeso Kristy . Mitafa @ izay mangetaheta n'y fiainany Izy toa t@ Ilay vehivavy samaritana nangetaheta. Misaotra Tompo. Fiainanay Ianao. Amen

  • @VoahangyRavaomalala
    @VoahangyRavaomalala Před 3 měsĂ­ci

    Tiko bĂŠ

  • @tiananantenaina4104
    @tiananantenaina4104 Před 2 lety +2

    Manantalenta toko Mgr Jean Paul, efa hira maro ni nosoratany!!! tiko avokoa ireo!

  • @rakotoherijaonarindramahef4483
    @rakotoherijaonarindramahef4483 Před 6 měsĂ­ci

    Tsy Ankalazao Ny Tompo ny chœur fa ODAM KA

  • @ravelonoromariaangela2987
    @ravelonoromariaangela2987 Před 2 lety +3

    🥰🥰

  • @melybridge-ps1vg
    @melybridge-ps1vg Před rokem

    Mankasitraka fa tsara

  • @user-ds5us8ki6z
    @user-ds5us8ki6z Před rokem

    mankasitraka t@ fampielezana ny toniny fa tena mamelombelona fanahy tokoa le izy e!