MITOERA ETO AMIKO RY JESOA BE FITIAVANA / CHORALE ANTSAN' NY TRINITE MASINA
Vložit
- čas přidán 23. 07. 2022
- 👉👉 • TSY NISY NAHITA (Tonon...
MITOERA ETO AMIKO RY JESOA BE FITIAVANA
Mitoera eto amiko, ô ry Jesoa be fitiavana
Saro-tahotra ny foko sady mora mianjera
Ny sakaiza mora miala toy izany koa ny havana
Iza no hiaraka amiko, ô ry Jesoa mitoera (2x)
1. Fantatrao fa tia Anao, ‘zany foko sy ny heriny
Isan'andro vao mifoha, lasanao ny eritreriny
Raha tezitra ny onja tamin’ny sambon’ny fiainako
Fantatrao fa taminao no hany niotarainako
2. Fantatrao fa osa loatra 'ty fanahy fadiranovana
Zay miantso Anao tsy tapaka eto an-tany fandalovana
Raha noana indray ny foko fa nidaboka sy lanaka
Fantatrao fa nifanojo ny fijerintsika mianaka
3. Fantatrao fa nanantena lalandava ny fanahiko
'Reny bitsika mangina ao anaty ny angatahiko
Raha torovana ny foko tena kivy sady reraka
'Zany foko kivy izany hanantena anao tanteraka
Dieu est amour et miséricordieux ,j'adore ❤🙏🕯
Tiko be
Hira tena mampahery no isan'ireo hira tena tian'ny dadanay indrindra..ndrii, mandria am-piadanana dada ah! Efa nifanojo ny fijerinareo mianaka izay, efa mitoetra amin'i Jesoa be fitiavana ianao.
Nifanojo n'y fijerintsika mianaka. Bé fitiavana Jeso. :-)
Mankasitraka ny mpizara eeee!
tsara be mitsy, misaotra anareo
Ianao Jeso no hitarainanay rehefa miala n'y sakaiza s'y havana. Mitoera ré. Misaotra Tompo:-)
Tsy ho Kivy s'y Tsy ho reraka izay manantena Anao.
Mankasitraka amin' ilay hira fa tena tiko be io
Amen🙏🙏🙏❤️
Misaotra mankahery tompoko
Mankasitraka feno Tompoko fa tena tsarabe tahian ny Jesosy hatrany nareo rehetra
Dieu est fidèle . Merci Jésus Christ pour ta miséricorde 🙏🙏🙏❤️
Misaotra
Misaotra fa tonga soamantsara ny afatra!!!
Fantatrao fa tia Anao izany foko...
Misaotra misaotra 🙏🙏🙏🙏❤❤❤❤
Tena Kanto e! Mankasitraka indrindra
❤❤Mitoera et amiko Jesoa 🙏🏼Amen
ô ry Jesoa mitoera ! tsara ny Tompo
💜💜💖💖🙏
🙏🙏🤲❤️❤️❤️
Tsara be ! Paroasy aiza moa no misy ny Antsan'ny Trninte Masina azafady
Tanora tao anaty Chorale Ecar Manjakaray ny ankamaroany
Mitoera eto amiko...ry Jesoa be fitiavana 💕❤️❣️💖
Ny fanahiko efa kivy...manantena Anao tanteraka 🙏💝