Video není dostupné.
Omlouváme se.

Fikiro mafy - KT Ambatovinaky

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 6. 05. 2014
  • Na manonja ny fiainanao na feno fanahiana
    Aza kivy na ketraka ianao
    Na mavesatra ihany koa ny hazo fijaliana
    Ilay Jesosintsika tsy mba mandao
    Na dia betsaka olana sy mafy ka torovana
    Tsy tantin'ny fo ho aiza moa
    Mankanesa aty hoy Jesosy Kristy
    Fa izaho hanome fitsaharana
    Atanjaho ny finoana fa na inon-kidona
    Ilay Jesosy tsy hamela anao irery e!
    Aza mba toa Petera f'izy anie ka nianjera
    Tao anaty onjan-drano mahery e!
    Izy mantsy tsy ampy finoana
    ka nisalasala raha sendra olana
    Ka ny hafatra apetrako aminao anio
    Jesoa no itafio
    Mivavaha amin'ny Jesosy ianao
    F'Izy ihany no afaka hamonjy anao
    Ka fikiro mafy ny tanany matokia
    Tiany ianao maminy
    Miambena ianao fa ny devoly dia masiaka
    Te hitady izay harapany e!
    Ka mamitaka anao omeny anao avokoa
    Ireo rehetra tadiavin'ny fonao e!
    Dia taritiny ianao ka lalan-diso migodàna
    No velariny handehananao
    Angataho ny fanahy hampahery anao
    Hanazava izay mba hizoranao
    Atanjaho ny finoana..........
    Mifikira amin'ny Jesoa ianao namako o! (Feo 1)
    Miorena tsara fikiro Jesoa (Feo 2 sy 3)
    Amin'ny Jesoa no apetraho
    Ny fanantenanao namako o!
    Miorena tsara Jeso no fikiro (Feo 4)
    Mafy amin'ny Jesosy Kristy
    Ny fanantenanao namako o!

Komentáře • 82

  • @karimosolo3467
    @karimosolo3467 Před 4 lety +5

    Na manonja ny fiainanao na feno fanahiana
    Aza kivy na ketraka ianao
    Na mavesatra ihany koa ny hazo fijaliana
    Ilay Jesosintsika tsy mba mandao
    Na dia betsaka olana sy mafy ka torovana
    Tsy tantin’ny fo ho aiza moa
    Mankanesa aty hoy Jesosy Kristy
    Fa izaho hanome fitsaharana
    Atanjaho ny finoana fa na inon-kidona
    Ilay Jesosy tsy hamela anao irery e!
    Aza mba toa Petera f’izy anie ka nianjera
    Tao anaty onjan-drano mahery e!
    Izy mantsy tsy ampy finoana
    ka nisalasala raha sendra olana
    Ka ny hafatra apetrako aminao anio
    Jesoa no itafio
    Mivavaha amin’ny Jesosy ianao
    F’Izy ihany no afaka hamonjy anao
    Ka fikiro mafy ny tanany matokia
    Tiany ianao maminy
    Miambena ianao fa ny devoly dia masiaka
    Te hitady izay harapany e!
    Ka mamitaka anao omeny anao avokoa
    Ireo rehetra tadiavin’ny fonao e!
    Dia taritiny ianao ka lalan-diso migodàna
    No velariny handehananao
    Angataho ny fanahy hampahery anao
    Hanazava izay mba hizoranao
    Atanjaho ny finoana..........
    Mifikira amin’ny Jesoa ianao namako o! (Feo 1)
    Miorena tsara fikiro Jesoa (Feo 2 sy 3)
    Amin’ny Jesoa no apetraho
    Ny fanantenanao namako o!
    Miorena tsara Jeso no fikiro (Feo 4)
    Mafy amin’ny Jesosy Kristy
    Ny fanantenanao namako o!

  • @anniehoareau5817
    @anniehoareau5817 Před 5 měsíci

    Tsy miala aminao aho Jesosy 🙏❤️

  • @odetterani989
    @odetterani989 Před 4 měsíci

    Tena tsarabe ny hira , tena mampandinitena sy mankahery tokoa❤❤.
    Azfady mba misy afaka milaza ve oe inona ny fanalavana ilay hoe KT

  • @princyraveloharison5407
    @princyraveloharison5407 Před 5 lety +1

    ....Mivavaha amin'i JESOSY ianao, IZY ihany no afaka hamonjy anao, ka fikiro mafy ny Tànany matokia, Tiany ianao Maminy. Miorena tsara aza miova....!!! Misaotra KT Ambaovinaky fa mampahery be e ! TSARA JESOSY !!!

  • @lalaratefiarison9372
    @lalaratefiarison9372 Před 5 lety +1

    Hira tsy mety lany hamamiana ny fijoroana amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy. Mampifikitra hatrany ary mampioro-paka ny finoana ny maheno itony hiram-piderana itony. Mahereza mandrakariva

  • @38hari
    @38hari Před 9 lety +6

    Feno fanahina tokoa isika ary toa mivadipo noho ny fahasarotan'izao fiainana izao Ary mazana ny fitadiavana vola sy harena mazana no tena tsilo mamefy antsika tsy hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra Dia hoy ny tenin'ny TOMPO :" Jehovah o!,ampahafantaro ny farako aho sy ny ohatry ny androko ; ary aoka ho fantatro fa olonkandalo aho 6 Aloka tokoa no fandehandehan'ny olona ;zavapoana tokoa no itabatabany; Mihary harena izy fa tsy fatany izay ho tompon'izany Sal 39 :4,6 " Koa mahareta @ fivavahana ry havana ary ataovy ny sitrapon'ny TOMPO Dia misaotra anareo antoko mpihira flm ambatovinaky nohony toriteny ankira atahy anareo anie ny TOMPO

  • @sylvoalias
    @sylvoalias Před 5 lety +1

    Miambena ianao fa ny devoly dia masiaka
    Te hitady izay harapany e!
    Ka mamitaka anao omeny anao avokoa
    Ireo rehetra tadiavin'ny fonao e!
    Dia taritiny ianao ka lalan-diso migodàna
    No velariny handehananao
    Angataho ny fanahy hampahery anao
    Hanazava izay mba hizoranao...
    Arovy aho Tompo o...aza avela ho irery ny fiainako....
    Misaotra Tompo o..

  • @lalainafara9213
    @lalainafara9213 Před 9 lety +2

    Homeo Azy ireny ny Voninahitra, fa izay olona Noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana ho Ahy

  • @georgettedesmoulins6801

    Misaotra ny Tanora Kristianina Ambatovinaky fa tena mampahery sy mampitombo ny finoana an'Ilay Jesosy Tompon'ny fiainana e !!

  • @rasoaniainanadialeonard2633

    Misaotra betsaka , Tsara le hira 💜😍💕, ❤️😭😭🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏Merci , tiako be le hira

  • @sahazarakotondraibe6699

    Tazony mafy aho Jesosy fa tsy mahatazona Anao Amen

  • @solofoarimangaestherralini4239

    mampahery be fa misotra e!fikiro mafy ary Ilay Jesosintsika e!

  • @malalaandrianary3025
    @malalaandrianary3025 Před 3 dny

  • @hantavololoniaina1914
    @hantavololoniaina1914 Před 8 lety +2

    hazony izahay JESOSY sao dia tsy mahatana anao!AMEN

  • @evaeva2271
    @evaeva2271 Před 5 lety +1

    Fikiro mafy Jesoa matokia🙏🙏 tiak loatra ity hira ity sady mampahery.

  • @violettefanomezan7965
    @violettefanomezan7965 Před 6 lety

    Latsak ranomasoko isak mandre ity hira ity tsapako be fitiavany Jesosy ahy . Izy mivantana miteny amiko izao.🌹🌹🌹🌹🎶🎶🎤🎤💿💿💓💓💓💟💟💖💖💖

  • @randriarimalalaheryfifalia7376

    2021 mbola eto, mampahery foana. Mankasitraka

  • @samonmofo7632
    @samonmofo7632 Před 5 lety

    Tena mampitomany ahy ity hira ity satria tena . Mampanolotena hoany tompo 👏💖😭😭😭😭

  • @kuwaitcity3119
    @kuwaitcity3119 Před 6 lety

    Misaotra eee,Tazomy aho JESO mba tsy ho azony fankam panahy AMEN

  • @randrianatenainasidonie1773

    Mankasitraka anareo Tompoko o! tahin Tompo e! Amen!!!

  • @arlettevonjiarijaona6196
    @arlettevonjiarijaona6196 Před 10 lety +3

    Tonony Isanandro ny anarany JESOSY , fa mahery IZY

  • @rakotonjanaharyfelanamanit2859

    tena tsara ny hira sady mampahery be fa misaotra nizara, manampy anay hahay ny tonony izao fa alefaso foana e...

  • @sidoniejuster9119
    @sidoniejuster9119 Před 5 lety

    mankasitraky indrindra anareo fa tonga somatsara ny hafatra ankira

  • @herisoarazafiaimanana5803

    ZANY TOKOA RETO A JESOA NO TAFIO. MISAOTRA NY KT

  • @julienaina505
    @julienaina505 Před 10 lety +2

    Mankasitraka indrindra e! Ilay Jesosintsika tsy mba mandao ........ Jesosy no itafio

    • @nirinaranaivosaona4760
      @nirinaranaivosaona4760 Před 7 lety +1

      tena mampahery ny hiranareo KT a!tena Jesosy. no herintsika, tsy mba mandao izy.amen

  • @Fanirinavalimbavaka
    @Fanirinavalimbavaka Před 2 měsíci

    ❤❤❤❤

  • @sidoniejuster9119
    @sidoniejuster9119 Před 5 lety

    mankasitraky indrindra Tompoko fa tena hafatra ankira anareo

  • @kolins_maker1582
    @kolins_maker1582 Před 2 lety

    MAKASITRAK OO

  • @irenevanessa8961
    @irenevanessa8961 Před 8 lety +2

    misaotra betsak e. tena tsara.. sad madona fo be le iz💔💔 makasitrak e.. hoan'ADRIAMANITRA irery ian voninahitra..

  • @bertrandramamonjy4690
    @bertrandramamonjy4690 Před 5 lety +1

    Hira krismasy

  • @anjsrazanatsoa1181
    @anjsrazanatsoa1181 Před 6 lety

    atanjaho NY finoana fa na inon-kidona,ilay Jesosy Tsy hamela anao irery......
    Tiko loatra ilay hira, mankasitraka ny KT Ambatovinaky

  • @sthelagunhollyhanitrinirin4780

    Tena tiako Tiako tiako..Misaotra betsaka..Fa tena tiako ity hira ity

  • @suzetterazanarisoa2638
    @suzetterazanarisoa2638 Před 8 lety +1

    aza miala amin i Jesoa e.

  • @rafiqurrahman4584
    @rafiqurrahman4584 Před 6 lety +2

    Latsaka fo ranomasoko isaka mihaino i hiry ty, misaotra anao mandrakariva zah tompooo, fantako fa ts anda aho anao,

  • @stephanotzafindratafa340

    Mampahery ity hira ity

  • @randriamananjaratantely6531

    Tsara be Fikiro mafy

  • @christianhenriratsimbazafy2153

    Misaotra e!! tsara b le hira

  • @radonirinarafanomezantsoa9744

    mirary soa atrany

  • @nirilalainaravaoarisoa7294

    Fikiro eo a'tsandrinao aho Tompoko Masina

  • @jeanclauderandriarimanana272

    tsara le hira,mankasitrak'indrindre !

  • @evaeva2271
    @evaeva2271 Před 5 lety

    Tena mampahery ahy ity hira ity.

  • @v.m.s.rakotomanga3310
    @v.m.s.rakotomanga3310 Před 8 lety +3

    Tsara be. Misaotra fa manome hery aty lavitra aty mpihiry chorale koa aho.

  • @moniarejela2232
    @moniarejela2232 Před 7 lety

    misaotra fa mampahery be ilay hira!

  • @razafindrakotovola4967
    @razafindrakotovola4967 Před 7 lety +4

    Fikiro mafy Jesoa.

  • @trianaak9402
    @trianaak9402 Před 7 lety

    Tsara Jehovah ary manana harem-pahasoavana tsy lany ho an'ny fiderana, ANY @ PALAIS NO FOTOANA 21 MAI 2017 IO AN

  • @raharivaojeanneelisabelle502

    Mankasitrak indro fa tena mampahery
    Ny Tompo homba anareo mandrakariva @asa fitorina ataonareo

  • @heryhmanantena1087
    @heryhmanantena1087 Před 8 lety +3

    tena marina ny voalazan'ny namana fa zovy moa no tsy holasa saina amin'ny feony sy tononkira raha mbola mety iasan'ny Fanahy Masina

  • @miantsoumaminihaina4273
    @miantsoumaminihaina4273 Před 9 lety +4

    latsa dranomaso mits ah naheno an ilay hira, mankasitrak ny KT e!

  • @pmr6677
    @pmr6677 Před 6 lety

    misaotra indrindra anareo makasitraka.

  • @keniasantosdasilva5696

    Belíssimo

  • @rafiqurrahman4584
    @rafiqurrahman4584 Před 7 lety +1

    Andriamatroooo,

  • @nbnnon5871
    @nbnnon5871 Před 6 lety

    Misaotra éeeh

  • @vanessairene6881
    @vanessairene6881 Před 8 lety +1

    misaotra ee👍

  • @lantorahantarijaona2369
    @lantorahantarijaona2369 Před 9 lety +2

    Misaotra fa mampahery ahy ty hira ity sady mahafinaritra.

  • @randrianarijaonaodilonulri2070

    Tena mampahery.

  • @ezditheclautilde465
    @ezditheclautilde465 Před 7 lety +1

    Misaotreee

  • @lydiaalinoro4958
    @lydiaalinoro4958 Před 6 lety

    Misaotra, mandrosoa hatrany

  • @martinjean7028
    @martinjean7028 Před 5 lety

    OK KT a, tsy mety tonta mihitsy ity hira ity amiko, mandrakizay

  • @aremecservice3143
    @aremecservice3143 Před 6 lety

    mampahery be

  • @isaiavaleto3734
    @isaiavaleto3734 Před 9 lety +2

    aza miala @ Jesosy Tompo oa e!

  • @raoeliarinivo8328
    @raoeliarinivo8328 Před 6 lety

    MAKASITRAKA

  • @reneedebonneviedepogniat7917

    👏🏽👏🏽👏🏽👌🏾💕

  • @lovasoaclementinerandriana9166

    Fikiro mafy Jesosy f IZY ts amela antsik irer

  • @lalainarakoto5777
    @lalainarakoto5777 Před 2 lety

    Lola

  • @faniryrazafimamonjy9855

    misaotra fa tena mampahery ho ao @ tompo

  • @antoinerazafitsoma2221

    Mba omeo partition e

  • @sylvoalias
    @sylvoalias Před 5 lety

    Miambena ianao fa ny devoly dia masiaka
    Te hitady izay harapany e!
    Ka mamitaka anao omeny anao avokoa
    Ireo rehetra tadiavin'ny fonao e!
    Dia taritiny ianao ka lalan-diso migodàna
    No velariny handehananao
    Angataho ny fanahy hampahery anao
    Hanazava izay mba hizoranao...
    Arovy aho Tompo o...aza avela ho irery ny fiainako....
    Misaotra Tompo o..

  • @sylvoalias
    @sylvoalias Před 5 lety

    Miambena ianao fa ny devoly dia masiaka
    Te hitady izay harapany e!
    Ka mamitaka anao omeny anao avokoa
    Ireo rehetra tadiavin'ny fonao e!
    Dia taritiny ianao ka lalan-diso migodàna
    No velariny handehananao
    Angataho ny fanahy hampahery anao
    Hanazava izay mba hizoranao...
    Arovy aho Tompo o...aza avela ho irery ny fiainako....
    Misaotra Tompo o..