Kerobima Ankatso "RAY O, RAHA SITRAKAO"

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 23. 11. 2022
  • Ray O! Raha sitrakao
    1. Jesosy tao Getsemane, niaritra tokoa noho ny aminao
    Fadiranovana fanahy sy torotoro fo, satria tiany ianao
    Ho anao no niaretany izao, ora farany izao
    Nefa ianao tsy mba niombom-po, fa he! Resitory indray aza
    Ory fo Kristy nivavaka hoe:
    Ref.
    Ray o! Raha sitrakao esory amiko ity kapoaka ity
    Ray o! Esory amiko. Ray o! Esory amiko!
    Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, Andriamanitra o!
    Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, Anao Andriamanitra o!
    2. Jesosy anie hatram’izao mitalaho ho anao, ry mpanota o!
    Eo ankavanan-dRay tsitoha, Izy miady mba ho fiainanao
    Dia mbola hilaozanao indray ve? Ho irery sanatria!
    Mitsangana mifohaza fa Kristy, efa niady ny adinao,
    Ry ory sy mavesatra entana o!
    Ref.
    Ray o! Raha sitrakao esory amiko ity kapoaka ity
    Ray o! Esory amiko. Ray o! Esory amiko!
    Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, Andriamanitra o!
    Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao, Anao Andriamanitra o!
    Jesosy efa hatrizay, naniry hiombompiainana aminao
    (Ka) Raiso Izy, raiso ho anao, izao.
    T.F: Lalao Andriamahandrisoa
    (Kerobima Ankatso)

Komentáře •