Tsingerim-pahatsiarovana Kolonely Alphonse Rakotonirainy (1)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 28. 07. 2013
  • Nianjera ny 30 jolay 1976 tao Ankazomiriotra ny elikoptera nitondra an' i kolonely Alphonse Rakotonirainy lehiben'ny état-major jeneraly ny tafika malagasy.. Ity dia oronan-tsary tsingerim-pahatsiarovana natao tamin',ny 30 jolay 1996, faha 20 taona ny nahafatesany. Ho tsarovana mandrakariva anie izy, satria ny maty tsy mba resy ary tsy maty raha mbola misy velona mahatsiaro.

Komentáře • 2

  • @valoharavahoaka1516
    @valoharavahoaka1516 Před 6 lety

    Nanino no izao vao mba mivoaka intony oronan-tsary intony? Mila sy tokony fongorona ifotony ny antony nampianjera ny angidim-by nitondra IRETO OLO-MANGA TANY Ankazomiriotra! Tsy nidaboky fahatany io! Ary ny biby tsy manan-doha tsy mandeha! Mila Komitim-Bahoaka Mpikaroka misahana malaky ny toa izao(tsy tara velively). Adidy no atao, na mpitondra iza na iza no eo! Ary tsara hampodiane malaky eto an-TanindRaza ny harem-be rehetra sy volam-bahoaka rehetra voaondra(vola vahiny / volamena / vatosoa / hazo sarobidy/ trano / hotely,...any am-pita any, na mpandraharaha-na karany-na sinoa-na mpitondra na tsy mazava, ka n/misy porofo, an-tsokosoko ivelany any, hanaova fotodrafitr'asa sy hampandrosoa e Tany! HO VONINAHITSY NY MATY REHETRA HO AN'NY FIRENENA!

  • @DADABE37
    @DADABE37 Před 10 lety +1

    Kommentar ved Erik Tangedal:
    Tsy ela taorian’ny “accident” helikoptera tao Ankazomiriotra 30.07.1976 dia nandeha irery nitondra auto andalana avy any Mandoto mankany Antsirabe ny tenako. Tonga tao amin’ilay toerana nianjeran’ny helikoptera atsinanan’ny tanana Ankazomiriotra, dia nisy lehilahy anankiray amorondalana nanao “aotostop” (nitady lanana amiko) ka noraiksiko ho namana andalana. Noho izahay sendra tao amin’ilay toerana izay nahita ny loza vao haingana teo dia nody amin’izany ny resaka. Dia gaga aho nahare izay notantarain’ny namana. Gendarme izy sady sendra tao akaiky Ankazomimiotra izy tamin’ny nitranganan’ny loza sady nanaramaso nahita mivantana ny helikoptera andalana mankany Mandoto ka vavolombelona amin’izay nitranga. Nipoaka tampoka ny motera (exlosion) hoy izy ka niala tanteraka ny “rotor”. Maty miaraka amin’izay ny motera ka latsaka amin’ny tany ny helikoptera.