Sphynx THT ft Aton'ich - Taratasy (Lyrics gasy)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 10. 09. 2024
  • Sphynx THT ft Aton'ich - Taratasy (Lyrics gasy) est une video lyric (tononkira/parole) gasy 2021 de "Taratasy" par Sphynx THT et Aton'ich
    Merci pour votre visite 🤍
    ✔ Hira: Taratasy - Sphynx THT ft Aton'ich
    • Sphynx - Taratasy (Fea...
    ✔ Disponible sur Facebook:
    fb.watch/6nbKb...
    Sphynx THT ft Aton'ich - Taratasy (Lyrics)
    [Sphynx]
    Ho an'i Neny
    Tsy haiko ianao raha mandreh
    Tsy haiko ianao raha mandray....
    Resaka kely vitsivitsy, Tsy vitako taminao
    Raiketiko an-taratasy izy androany....
    [Sphynx]
    Raha mamela anah ny fotoana hoe iray minitra monja
    Hiverina amin'ny lasa hitantarako anao ny fiainako
    Sa ve misy lalana afaka hitondra
    Any am-paradisa ny taratasy fitarainako
    Satria efa ela ihany izay no nandaozanao anay
    Nefa toy ny vao omaly izany ny ato an-tsaiko
    Sarisary rotika eo an-doha fandrina zay
    Rehefa malahelo anao aho de iny no alaiko
    Te hiteny mafy aho hoe tiko enao ry Neny a!
    Mbola te hiatsampy mafy eny amin'tratranao ah
    Hoe be ny adalako fa tsy fananiko reny a!
    Rehefa zah le nanao fihetsika nandratra anao a!
    Ary mety nanahona ny fiainako raha toa teo ianao
    Raha be fiantàna ve zah mety ho leo ianao
    Ka mety hoe mba voafafa le ranomasoko iny
    Le mitsiriritra ny hafa rehefa fety fifaliny
    REF:
    [Aton'ich]
    Hinoko fa voaray, Hinoko fa tsisy very
    Zay rehetra lazaiko mety tsy ho feno ry Neny
    Saingy vokatry ny foko, Hampisinda ny fery
    Taratasy feno ratra ka mba raiso ry Neny
    [Sphynx]
    Nilaozanao zahay de ny trano mangina
    Le tabatabanao rehefa le zahay tara fodiana
    Enao le mikafara satria hoe mitebiteby
    Miafara amin'teny mamy nefa ianao rehefa mibedy
    Tsy ampy anah le feonao mampitony ny fanahiko
    Otrany dictionaire mahavaly ze rehetra antaniko
    Enao miantso anah hoe"Tiko" tsy maty ato am-poko
    Raha misy manahirana ah de Neny foana no antsoiko
    Ankehitriny ianao tsy eo tsony de ataoko an-taratasy
    Mbola be ny zavatra tiako ho tantaraina
    Ny fotoana nandehananao otrany hoe"Nofy ratsy"
    Ka manantena hahita anao rehefa mifoha maraina
    Nefa moa indrisy fa zay no lalam-piainana
    ça va ihany zay fa ianao aza manahy
    Tsy maty akory ianao fa afam-panaintainana
    Miakatra any an-danitra hitoetra ho Anjely Mpiahy
    Neny a.....................
    [Aton'ich]
    Hinoko fa voaray, Hinoko fa tsisy very
    Zay rehetra lazaiko mety tsy ho feno ry Neny
    Saingy vokatry ny foko, Hampisinda ny fery
    Taratasy feno ratra ka mba raiso ry Neny
    [Sphynx]
    Raha mbola eo izy dia hajao
    Dieny izao izy dia tiavo
    Mandehana ianao lazao
    Hoe ianao tena tia azy
    Raha mbola eo izy dia hajao
    Dieny izao izy dia tiavo
    Mandehana ianao lazao
    Hoe ianao tena tia azy
    REF:
    [Aton'ich]
    Hinoko fa voaray, Hinoko fa tsisy very
    Zay rehetra lazaiko mety tsy ho feno ry Neny
    Saingy vokatry ny foko, Hampisinda ny fery
    Taratasy feno ratra ka mba raiso ry Neny
    Hinoko fa voaray, Hinoko fa tsisy very
    Zay rehetra lazaiko mety tsy ho feno ry Neny
    Saingy vokatry ny foko, Hampisinda ny fery
    Taratasy feno ratra ka mba raiso ry Neny
    🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬
    Contact: madalyrics2.0@gmail.com

Komentáře • 6