Tanora Masina Itaosy - Mitoera (Clip officiel)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 1. 07. 2019
  • Lalana mideza ny ety an-tany
    Tsy misy antenaina,mandalo ihany
    Fa betsaka ireo kivy fo sy velon-taraina tokoa
    Andriamanitra ô (x2)
    Mitoera re anatin'ny fonay Ianao
    Fanahy Masina ô (x2)
    Mitoera re anatinay ianao
    Inona ary anefa no hevitr'izany
    Anjara tinendry sa aloka ihany ?
    Diniho hoe izay banga aminao
    Fa sao lalan-kafa ny anao
    Andriamanitra ô !(x2)
    Mitoera re anatin'ny fonay Ianao
    Fanahy Masina ô !(x2)
    Mitoera re anatinay Ianao
    Raha ny fiainanay no tsy misy Anao
    Dia ny asan-tSatana no hanjaka ao
    Ianao no antom-pandresenay
    Ireo fahavalo ry Ray
    REF...

Komentáře • 34