Medley Méditation - FFPM 20 -FFPM 470 -FFPM 109 -FFPM 417 -FFPM 473 - Louange instrumentale Malagasy

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 4. 06. 2020
  • Medley FFPM 20 - FFPM 470 - FFPM 109 - FFPM 417 - FFPM 473 - Louange instrumentale Malagasy
    Mélodie Céleste Malagasy
    Malagasy Musique
    FFPM 20
    1. Tsaroanay tokoa izao
    Ny soa be noraisinay,
    Tsy tapaka avy taminao
    Ry Andriananaharinay.
    2. Ny lasa itodihana
    Dia mampiseho avokoa
    Ny tanam-pitiavana
    Miahy sady manasoa.
    3. He! Koa ‘ty andronay ity,
    Izay diavinay izao,
    Dia voahodidina ery
    Ny fitahiana aminao.
    4. Dia tokinay tokoa izay
    Fa mbola ho arovanao
    Anio, ampitso, rahatrizay,
    Izay miankina Aminao.
    5. Ka dia mba velomy re
    Aty anatinay ny fo
    Hahay misaotra Anao anie,
    Ry Rainay be famindram-po!
    FFPM 470 - Ny foko, ry Mpamonjy
    1. Ny foko, ry Mpamonjy,
    Mangetaheta Anao,
    Maniry lalandava
    Hikambana aminao.
    Fiv : Tsy afaka ao am-poko
    Ny faniriana Anao ;
    Oneno, re, ny foko
    Ho lapanao!
    2. Ny androm-pahoriana,
    Raha lapanao ny fo,
    Manjary fitahiana,
    Izay manadio ny fo
    Tsy afaka ao am-poko, sns…
    3. Ny ora fifaliana,
    Raha ao anilanao,
    Mamelom-paniriana
    Hanao ny sitrakao :
    Tsy afaka ao am-poko,sns…
    4. Ho lao ny fahotako
    Raha akaikezinao,
    Tsy misy hadalako
    Izay tsy afakao :
    Tsy afaka ao am-poko, sns…
    5. Finaritra ny saiko
    Raha ipetrahanao,
    Fa reraka ny aiko
    Raha halavirinao :
    Tsy afaka ao am-poko, sns…
    FFPM 109 - Nahafoy ny aiko Aho
    1. Nahafoy ny aiko Aho
    Hanavotako anao.
    Ka nalatsako ny rako,
    Nisoloako anao.
    He! ny aiko no nomeko
    Ry mpanota very e!
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
    2. Lapan-dRaiko ao ambony,
    Voninahi-dehibe,
    No nilaozako hamonjy
    Sy hanafa-doza anao,
    ‘Zay voafitaky satana
    Sy nozoin-doza be;
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
    3. Soa be sy mahagaga
    No natolotro anao,
    Famonjena tsy vidina,
    Famelana ny otanao,
    Fitiavan-tsy voafetra,
    Lova ao an-danitra ao;
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
    4. Indro Tompo! Fa omeko
    Ho Anao ny tenako,
    Ka tsy misy izay tsy foiko
    ‘zay rehetra tianao;
    Eso, latsa, tsy ahoako,
    Fa ny ho mpanomponao
    No ho zavatra kendreko,
    Raiso re ny zanakao.
    FFPM 417 - Nandao Anao ela aho
    1. Nandao Anao ela aho, Raiko ô!
    Izao dia te-hody aho;
    Maniry hiankina an-tratranao,
    Izao dia te-hody aho.
    Fiv : :,: Inty tamy aho,
    Raiko malala ô,
    Raiso ny tanako. :,:
    2. Maniry hanana fiadanam-po,
    Izao dia te-hody aho,
    Sy mba hivesatra ny zioganao,
    Izao dia te-hody aho,
    Inty tamy aho, sns…
    3. Itambesaran’ny ota natao
    ‘Zao dia te-hody aho,
    Matoky anefa fa horaisinao
    ‘Zao dia dia te-hody aho.
    Inty tamy aho, sns…
    4. Raha tsy mendrika ny ho zanakao,
    Izao dia te-hody aho,
    Ataovy isan’ny mpanomponao,
    Izao dia te-hody aho.
    Inty tamy aho, sns…
    5. Indro fa tazako ny sandrinao,
    Izao dia te-hody aho,
    Mitsotra mba hisakambina re,
    Izao dia te-hody aho
    Inty tamy aho, sns…
    FFPM 473 - Mombà anay, ry Jeso Tompo ô
    1. Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
    Fa maizina ny alina aty;
    Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
    Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !
    2. Mandalo koa ny andronay ety ,
    Ka mihalò ny fifalianay;
    Miovaovao izao rehetra izao;
    Ry tsy miova ô ! Mombà anay.
    3. Aza mba mivahiny aminay,
    Aza mihevitra ny helokay;
    Aoka ho be ny famindranao fo;
    Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.
    4. Tsy mahaleo tena izahay,
    Fa mora resy, mora kivy koa;
    Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
    Ety an-dasin’ny mpanomponao.
    5. Ny teninao no fifalianay;
    Ny masonao mitari-dalana;
    Ary ny herinao no tanjakay;
    Sakaiza tsara ô ! mombà anay.
    6. Izay ombanao afa-tahotra,
    Tsy mety kivy na mamoy fo ;
    Tsy misy fahoriana izay
    Haninona ny fo arovanao.
    7. Rehefa tonga ny fotoana
    Hitànay ilay ony maizina,
    Aoka ny tavanao hazava ao,
    Amin’izany re mombà anay.
  • Hudba

Komentáře • 21

  • @villamia9063
    @villamia9063 Před rokem +2

    ❤ Tena tsarabe Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihiany ❤

  • @faraniainapierrebernardram6703

    Hira mampitombo ny Fitiavana an'i Jesosy Kristy nanavotra antsika. Mankasitraka indrindra tompoko ! DERA LAZA SY VONINAHITRA AN' ANDRIAMANITRA IRERY, ny FAHASOAVANY HIROTSAKA ANTSIKA HATRANY !

  • @oracle33nanie13
    @oracle33nanie13 Před 2 lety +1

    Tahiny JESOSY o,je cherche
    Face de SEIGNEUR AVEC CES MUSIQUES. A LUI SEUL LA GLOIRE. TOHIZO RE FA TENA MAMPAHERY

  • @florentr9525
    @florentr9525 Před rokem +1

    Miarahaba tompoko. Mahafinaritra ny mozika ataonao. Misy moyen ahafahana mifandray aminao ve Atoa Marco Andria. Mirary soa tompoko

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 Před 3 lety +2

    Mankasitraka. Voninahitra ho an'Andriamanitra ireryihany. Faly raha maromaro n'y feon-kira toa ireny , hivavahan'ny bé s'y n'y maro. Misaotra indrindra tompoko.

  • @tsinjoandrianirina2491
    @tsinjoandrianirina2491 Před 3 lety +1

    Mankasitraka indrindra. Voninahitra ho an'Andriamanitra

  • @irinaandriantsoa3366
    @irinaandriantsoa3366 Před 2 lety +1

    mankasitraka indrindra fa tena tsara be mahefa be amin'ny asan'ny Tompo

  • @MegaRanjee
    @MegaRanjee Před 2 lety +1

    Tena tsaroanay tokoa Ray ô, ny soa be noraisinay tamiNao! ❤️ misaotra indrindra!

  • @ralahatrajaspierrenamby2473

    tena mahafinaritra, elaela tsy tany ampiangonana fa tampakevitra ny hiverina @zao aretina efa milamindamina zao maheno an'ito medley mampisy haim-panahy ito

  • @rakotoarisonfifa4091
    @rakotoarisonfifa4091 Před 2 lety +1

    Mankasitraka nizara:)

  • @irinaworshipper
    @irinaworshipper Před 3 lety +1

    efa in-20 angamba nihaino an'ito medley ito hahaha
    misaotra e

  • @kevinahprisca5042
    @kevinahprisca5042 Před 3 lety +2

    Tsara lotra ❤️

  • @victorienranaivombelo1810

    Mankasitra eee

  • @MegaRanjee
    @MegaRanjee Před 2 lety

    Tena tsara, babo ny fo mihaino azy ❤️

  • @jocelynerajosoa4153
    @jocelynerajosoa4153 Před 3 lety +1

    Tsara misy aim- panahy

  • @njakaandria-ntoanina1848
    @njakaandria-ntoanina1848 Před 3 lety +1

    Misaotra Tompoko.

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 Před 2 lety +2

    ❤️

  • @sandramahery5043
    @sandramahery5043 Před 3 lety +3

    Mankasitraka indrindra tompoko fa tena mampahery no tsara be ny arrangement, mankahery anareo mpitendry ô 🙏🙏🙏

  • @paulinetsiky6238
    @paulinetsiky6238 Před 3 lety +1

    Kanto an

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 Před 2 lety +1

    ❤️