𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐃𝐈𝐒𝐎 (Album : BANDY AKAMA / Be Mozik! 2004)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 11. 09. 2024
  • 𝑷𝒂𝒓𝒐𝒍𝒆 :
    Eny eh !
    Ireo nilaza an’izao, dia nino tokoa ianao
    Dia izay te-hanazava, dia nankany aminao
    Eny eh !
    Vavolombelona jiaby ireo nilaza nahita
    Dia hoe : Zaho hono tsy hendry, zaho hono maditra
    Eny eh !
    Zaho aloha no voakina, dia ahy ny tomany
    Eny eh !
    Ianao aloha no tsy faly, dia hoe : Diso aho izany
    Manaiky aho anio
    Manaiky amin’ny fo
    Tsy hamerina intsony aho
    Tsy hanao fanindroany
    Nefa anie ry malala, tsy izaho irery no adala
    Fa matoa aho mianjera, dia ianao no malama
    Diso aho anio, nefa mety ho ianao no rahampitso
    De ho kobonao tsara ny fandehan’ny tantara
    Tsy hifanditra aminao aho, nefa saino ihany koa
    Fa matoa izao no manjo, mba nisy kely anao koa
    Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA
    Raki-peo : BANDY AKAMA ( DO SOL 2004 )

Komentáře • 1