𝐓𝐀𝐍𝐈𝐒𝐀 - 𝐌𝐞̀𝐞́ 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐁𝐀𝐙𝐀𝐅𝐘 & 𝐎𝐜𝐞́𝐚𝐧𝐞 𝐑𝐀𝐒𝐀𝐌𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 (HIVAZO SAMOËLA 2020)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 29. 11. 2023
  • Eto antokotany eto aho zao malala no mitanisa
    Lasa saina aho, mamisavisa
    Raha mba teto angamba ianao zao malala aho tsy nangatsiaka
    Tsy lany atao aho, tsy lany fika
    Eto ivelany eto aho zao malala, mangingina
    Ngoma anao aho, sady tsisy atao
    Raha mba teto angamba ianao zao malala aho mba velon-tsiky
    Vita tonony aho, vita mozika
    Isan’andininy:
    Fa ny eo anilanao lalandava no tena tiako, faniriako
    Mianoka aminao ôh! Mankafy anao ôh,
    Raha karakarainao tsara aho, ka tandremanao … tsy maditra
    Mifitsaka aminao ôh! Mankalaza anao ôh …
    Ka tsy atao resa-jaza, na kabary lava
    Tsy tafandry mandry, ‘ty foko mitady
    Efa sasatra miandry, miandry lava anao ôh!
    Dia ianao ndray no gaga
    Dia ianao tsy mahatsapa
    Sa ianao ve migafy, sa ianao ve mitapy
    Raha toa tsy mandre, f’efa degany be
    Ny ato am-poko ato ôh!
    Fa zao ngeh malala, zaho tsy hoe mihanahana
    Na bandy sanana, fa matoa mivoraka, matoa manambara
    Dia potika aminao ôh!
    K’efa reven’ny fanahiko, marary amin’ny aiko
    Ekeko Mandidy , Ekeko mibaiko,
    Ekeko manapaka,
    Ankafihizin’ny saiko ianao ôh!
    Tonony sy Feony: Samoëla RASOLOFONIAINA

Komentáře •