Felana Rasolondraibe - Velona aho

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 8. 09. 2024
  • Lasa ihany
    Lay orambe omaly
    Tsy nahitako anao
    Mazava be androany
    Mamiratra avy hatrany :
    Eo ianao
    Marina tokoa
    Tadidiko avokoa
    Reo teninao
    Hoavy ny maraina
    Handresy ny aina
    Hoy ianao
    F’izaho tsy nihevitra
    Fa hoe tena ho ahy
    Ilay ianao niteny
    Namerina ombieny
    Hoe ho velona aho
    F’izao vao fantatro
    Fa mba ho ahy koa
    No nandresenao
    Nanafoananao
    Ny haizina
    Androany aho
    Toa maivamaivana
    Mifalifaly ny foko
    Satria velona ao
    Tena ao anatiko ao
    Ianao
    Sambatra aho
    Satria tanteraka
    Ho ahy ny teninao
    Nitsangana ianao
    Dia feno aina ny anatiko ao
    Ao ianao

Komentáře •