KRISTIANINA TSY AKOFA - FA.NA.FA - (Lyrics)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 27. 10. 2022
  • 🎼KRISTIANINA TSY AKOFA🎼
    Raha te ho Kristianina tokoa
    dia ilaina re ny tena miova fo
    Samy tokony tsy hisy poakaty
    ny toetra ivelany sy anaty
    Lehibe sady tena tombontsoa
    ny aim-panahy zava-mahasoa
    Ny Kristianina efa matihanina
    ivom-piainan'i Jesô ka tsy mba fanina
    Raha misy misalovana izy ireo
    Jesô alohany eo ôôôôôô
    Eo afarany eo ôôôôôô
    Miady ho azy ireo
    'Ty tantara ity ambarako aminao
    zava-doza sady tena tsy fanao
    Kristianina fa tena mahagaga
    na ny toe-piainanay aza sadasada
    Jerena ivelany izy toa olo-masina
    nefa manan-toetra ratsy mitsinkasina
    Tia mivavaka mamonjy tilikambo
    hay jiolahy fanao hazalambo
    Ratsy toetra toy ny matotoa
    tsy mety miova fo ôôôôôô
    tsy miova fo ôôôôôô
    Tsy miova fo
    Misy manana an'ity toetra 'ty
    ny mpanara-dia an'i Kristy
    Tia vola sady finy ny harena,
    manao fanatitra aza izy mihenahena
    Na ny rahalahiny aza no mangataka
    dia ilaozany mihodina, mihataka
    Tranobe maro rihana no an-tsainy,
    ka mahihitra kahidy Ingahy rainy
    Eh! Ianao ve izany 'Ndriamatoa?
    Jesô mampiova fo
    Tongava ao Aminy ao
    Hiova mpanao soa
    Tongava ao Aminy ao
    Hiova mpanao soa
    KRISTIANINA TSY AKOFA
    MIOVA FO SADY MANKATÒ
    TANJONY NY LANITRA
    MIARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA
    Misy miaina amin'ity fomba ity,
    tsy mba hainy ny maneho ny fitia
    Mpitsikera, mitanisa ny taloha
    Manaratsy no andaniany ron-doha
    Voatetiny avokoa ny lava-trano
    hitantarany valamaty sy angano
    Fomba ratsy tsy hampandroso velively
    Mpitsongoloka sy mampiady angely
    Miziriziry amin'ny hevitra bontolo
    toe-tsaina bobongono
    Ny ratsy dia fanolo
    Jeso no hikolo
    Ny ratsy dia fanolo
    Jeso no hikolo
    Ity karazany manaraka ity
    midoka tena fa an'i Kristy
    Am-piangonana izy dia madio fo
    vao miala dia miseho ny toetra lò
    Dia misitrika migoka sy mifoka
    kalazalahy amin'ny karazan-doka
    Teny ratsy tsy faneho masoandro
    no afafiny amin'ny vavany isan'andro
    Ireo toetra ratsy miafina soloy
    ialao, aleo hafoy
    Jesôsy no jereo
    hiova ianareo
    Jesôsy no jereo
    hiova ianareo
    Maro no mihambo ho Kristianina
    fa misoratra amin'ny bokim-piangonana
    Manan-toetra mahavàka, mahafanina
    mampidangan'isa eo am-panononana
    Asa aloha raha mandalo fitsaràna
    na ho an-danitra na an-dava-migodàna
    Fa Andriamanitra hanavaka ny vary
    ka hodorany ireo tsiparifary
    Raha tsy miova dieny izao izy ireo
    dia ho azon-kenatra eo
    Jesô hikororoka
    tsy hitondra akofa
    Jesô hikororoka
    tsy hitondra akofa
    KRISTIANINA TSY AKOFA
    MIOVA FO SADY MANKATÒ
    TANJONY NY LANITRA
    MIARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA
    Ny mpivady ao anaty tokantrano
    tena misy 'ty fa tsy tantara angano;
    ny vilany, ny lovia, ny sotrokely
    misidisidina avy am-baravarankely
    Somaritaka, kibay, rà mandriaka
    ny akanjo rovitra, mitriatra
    Fony vao nifankatia nefa 'reo
    mahafinaritra fa tena niombom-peo
    Raha misy anie izany ry izy roa
    dia avereno ny fitiavana taloha
    ôôôô avereno
    ny fitiavana taloha
    ôôôô avereno
    ny fitiavana taloha
    Ny tanora indray hono mifanindry
    na tenenina aza dia mihindrihindry
    Ny fitafy 'zay lazainy hoe lamaody
    na mifinjy aza izy tsy mba kaody
    Raha jerena toa manao striptizy
    mihizifizina izy f'io no tena izy
    Jupe, jupe hatrany am-poto-pe
    vaky an-drirana no atao manasa-pe
    Dia miady lahatra izy hoe Kristianina
    Jesô no alaim-baraka
    ôôôôôô aiza alaim-baraka
    ôôôôôô aiza alaim-baraka
    Efa lasa alavitra ny fandrosoana
    efa avolenta koa ny traikefa
    Tena mampihozongozona finoana
    ka ny fohy saina dia mirefarefa
    Ny finday fifandraisana any an-danitra
    Babela tsy hampino an'Andriamanitra
    Solosaina tena mahavaky volana
    maro ny tanora no mametraka olana
    Isan'andro Facebook, video
    ankilabao Jesô
    Tongava ao Aminy ao
    homeny fo vaovao
    Tongava ao Aminy ao
    homeny fo vaovao
    KRISTIANINA TSY AKOFA
    MIOVA FO SADY MANKATÒ
    TANJONY NY LANITRA
    MIARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA
    'Zay nomena andraikitra ao am-piangonana
    ka mihatsaravelatsihy feno fialonana
    Na manao mpitari-bato vilam-bava
    fitara-baky mampizarazara tava
    Ianao no taratry ny fiaraha-monina
    faka tahaka, endriky ny Zanak'olona
    Indraindray anefa mampitampim-bava
    fa ny Baiboly havadika ho saron-tava
    Sasa-poana ianao milaza fananarana
    Aleo faranana eo,
    Fiainam-baovao iaino dieny izao
    Torio, ankalazao amin'ny toetranao
    Ianareo mihaino anay mitory teny
    resy lahatra fa hiofo ho anjely
    Tapa-kevitra fa tena hiova fo
    Deraina Andriamanitra Tsitoha
    'Ndao hifaly fa indray andro any
    mbola hihaona any an-danitra any
    Jesô atao filamatra hatrany
    dia indro ho tanteraka izany
    Izay mivoady tsy haniasia
    Banjino i Kalvary
    Ny rà nandriaka teo ho antsika zareo
    Isika rehetra ireo novonjeny teo
    Raha te ho Kristianina filamatra
    ka maniry ny ho faly sy ho sambatra
    Ny andro iainanao anie manam-petra
    aza ilaozana mitaredretra
    Voatanisa ireo saribabay
    samy voa ianareo sy izahay
    Raha te ho Kristianina matihanina
    tsy sondriana manao sangodim-panina
    Ho antsika mianakavy anie izany
    Andao hiova fo
    Ny toetra teo aloha ialana avokoa
    Finoana mankatò 'zay no atao vaindoha
    KRISTIANINA TSY AKOFA
    MIOVA FO SADY MANKATÒ
    TANJONY NY LANITRA
    MIARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA
    🙏🏻
    ©FANAky ny FAmindram-po (FANAFA)
    #LyricsbyKalo

Komentáře •