𝐄𝐑𝐋𝐀𝐙𝐀𝐀 - 𝐊𝐎𝐅𝐀 𝐓𝐈𝐀 (HIVAZO SAMOËLA 2021)

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 11. 09. 2024
  • KÔFA TIA
    Isan’ora, isa-minitra aho
    Mba mandinika ny fanaon’ny olona
    De nahatsapa fa :
    Izay miara-droa de mifanankim-po
    Efa hita tamin’ny TV sy vidéo
    Gazety sy radio
    Fa ity fiainana ity
    Tsy milay raha tsy misy fitia
    ‘Zany vady ‘zany !
    Na aiza na aiza eto ambonin’ny tany !
    Fitiavana no dikan’izany! Hasambarana !
    Tsiky sy tambitamby
    Hafaliana sy sangisangy
    Ny roa no tsy mba toy izany
    Fa soamaravo teny ihany !
    Isan’andininy :
    Satria ny revinao dia ny mifamaly
    Ary isan’andro aho no miaritra izany
    Mba miezaka aho ny manihany
    Fa ianao misafoaka hatrany
    Mandinika ny tokony atao aho
    Sao mba lerany izao
    Tsy aleo ve re asiana an’izany sao ho antotra eto ihany
    Lazainao fa tianao aho ! Tia ahy ianao !
    ‘Lay zaho mitomany no tianao sa ‘lay zaho mitalaho ???
    Marina fa tena tia anao aho ! Tia ano aho !
    Nefa rehefa misy an’izany !
    De mba voatsindrona ihany
    Marina fa tena tia anao aho ! tia anao aho !
    Nefa rehefa misy an’izany !
    Mahatsiaro voadona ihany
    Izay no nahatonga ahy saika hilako an-dry !
    Satria ianao toa tsy mamaly fitia
    Raha toa tsy kôpy aho angamba dia tany
    Soa ihany tsy izany !
    Soa ihany aho fa dôzy !
    Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA
    Raki-peo : BANDY AKAMA ( DO SOL 2004 )

Komentáře •