Tsenabe « RODORODON’NY TANTSAHA » andiany faha 2

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 13. 08. 2024
  • Malagasy mifanome tanana Tsenabe « RODORODON’NY TANTSAHA » andiany faha-2 hanomezan-danja ny famokarana tantanin’ny Tokantrano Tantsaha Malagasy.
    🎯 Sehatra iray anisan'ny hampiroboroboana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra sady mahatsara ny fifandraisana sy ny fifanakalozana na ara-kevitra sy fahaiza-manao indrindra ny ara-barotra eo amin’ny mpamokatra samy mpamokatra ary ny mpamokatra sy ny mpanjifa ny tsenabe.
    👉 Misy araka izany ny tsenabe "RODORODON’NY TANTSAHA" andiany faha-2 ao amin’ny zaridainan’Ataninarenina Antananarivo nanomboka ny 14 hatramin’ny 17 aogositra 2024, izay notarihin' ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA Suzelin sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisitera ka notronin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Tokantrano Tantsaha na « Foyer des Paysans », izay mpikarakara ny hetsika.
    👉 Manao laharam-pahamehana ary manome lanja ny hetsika toy izao ny fitondram-panjakana indrindra ny fanomezana tantsoroka samihafa ho amin’ny mpisehatra rehetra. Ny Foyer des Paysans ihany koa dia mametraka paikady mazava ny amin’ny fomba fijerena ny amin’ny fampandrosoana ny Tokantrano tantsaha.
    Vohizina ankehitriny ny fampiroboroboana ny fanodinana ny vokatra, hamafisina ny fiaraha- miasa amin'ireo sehatra tsy miankina ka
    Isan'ny mandray anjara amin'ny tsenabe ny Kaoperativa BIOMARKE, misehatra amin’ny fanodinana tantely ao amin’ny Faritra Fitovinany ao Manakara. Vokatry ny fahazoany milina avy amin’ny fitondram-panjakana dia mahavita mamoaka tantely hatrany amin’ny 600 litatra isan'andro ny kaoperativa avy ao Manakara.
    👉 Tanjona amin’ny tsenabe toy izao ny fanaovana jeritodiky ny zava-bita ary hibanjinana ny fomba hanatsarana ny famokarana.
    👉 Marihina fa ahitana vokatra fampirantiana maro samihafa avy any amin’ny faritra ny tsenabe ary ahitana tranoheva miisa 90 eo ho eo.
    #MINAE

Komentáře •