LEMIZO par Lolo SY (Live TVPLUS 2015)
Vložit
- čas přidán 5. 12. 2015
- Paroles et musique : Angelo RAKOTOMANGA
Lolo SY : vocal, guitar
Dominique Andrianjaka : drums
Sefo Nonoh : bass
Melo-J : keyboards
Lova Rakotondrasoa : vocal, guitar
Benny Rabenirainy : vocal
Bebey Rakotomanga : vocal
Farah Ramanantoanina : guitar
Merci à ces merveilleux musiciens...
Lemizo .... Nous avons tous nos reves de gosses...Ses reves à lui l'emmènent chaque soir dans un pays lointain ou tout semble possible et permis! C' est du moins ce qu'il voyait dans les films de western diffusés dans la petite salle de cinéma de l' ecole catholique des Freres à Andohalo (curieuse démarche educative :-D...) Mais Lemizo est resté du coté d'Andavamamba ou chaque jour que Dieu fait est un combat à "couteaux tirés" pour survivre durant ces periodes deja mouvementées des années 70-80. Lemizo a poussé son fantasme jusqu' à prendre la "voitiry", outil de travail de son père, pour une diligence. Il ne s' est jamais reveillé du coté du Texas mais contemple chaque matin le canal insalubre de Bekiraro...Jusqu'à aujourd'hui :-( - Hudba
zany ka tena kanto eeee!!!, mankasitraka ny pizara e!!!
Satrin’i Lemizo a,
Mba ho any Texas é,
Hitaingin-tsoavaly a.
Any a Zamerika é
Manjaka toa mpanjaka
Ny mpilalao basy a.
Izany no mba nofinofiny
Avy any anaty aloky ny Cher-fréra-
N’Ambodin’andohalo a
Tananan’i Lemizo a
Ka efa mba nataony
Ho toy ny Texas a.
Any Andavamamba é
Manjaka toa mpanjaka
Ny mpilalao antsy a.
Tsy azo lalovana hariva anie
Ny eo antetezan’ilay Bekiraro
Fa mety mahafaty a. (2)
Ny vovon’i Lemizo a
Ka vitany amin’ny daba a
Miampy fehim-barika é.
Rahoviana ka rahoviana
Ny any andavamamba
Ho toy ny zamerika é.
Tomany, tomany i Lemizo anie
Ka nampalahelo ka nampalahelo
Ilay akama kely a
Miakatra, miakatra ny rano anie
Ambany tetezan’ilay Bekiraro
Ka tondra-dranomaso a.
I Dadan’i Lemizo a
Mitondra dilizansy é.
Eny Anosibe.
Mahafinaritra azy
Ny mitondra voiazera a.
Manao taingim-be.
Fa saingy ilay dilizansy anie
Ka miadam-pandeha fa tsy ampy sakafo
Ireo soavaly roa a.
Indray maraina izay a.
Voalako i Lemizo
Voalakon’i Dada.
Fa tratrany nitondra a
Nitondra soavaly
Soavalim-boatiry é.
Soavaly anie ka antom-pivelomana é.
Fa tsy rendrarendra, fa tsy rendrarendra
Toa ny any Texas a.
Satrin’i Lemizo a
Mba ho any texas é.
Hitaingin-tsoavaly a.
❤❤❤
Misatra betsaka tsara le hira
Manja lay hira ka
Tiko an!
Tsara 😊
tsy mankaleo e
Ity version ity tena mba tiako fa vao mainka mampisongadina an'ilay nofin'i Lemizo. Nofin'ny ankamaroan'ny tanora Malagasy amin'izao fotoana izao. Tsy foiny ny tanindrazany kanefa te-hilefa degany amin'ny tanana izy nohon'ny fiainany anaty fahantrana lalina. Mpanankanto sady mpamorona feo i Angelo Rakotomanga no mpamorona tononkira. Tononkira izay tena mitantara ny zava-misy kanefa mitaona ny olona handinika.
Ny tanora anefa ity indrisy, resy tanteraka, manaiky habadoina daholo. 😢
tsara
Misaotra leroa
Hiran'i Herykely t@ Izy Mbola kely
Matsiarotsiaro ny fahatanorana 🤗. Tsy mety lany manja "lemizo" an👍🏼.
Mankasitraka 🥰. Misaotra ny mpizara 🌹
Henri ratsimbazafy