FFPM : 109 - Nahafoy ny aiko Aho - Entends tu Jésus t'appelle - Have you any room for Jesus

Sdílet
Vložit
  • čas přidán 5. 09. 2024
  • FFPM : 109 - Nahafoy ny aiko Aho
    - Entends tu Jésus t'appelle
    - Have you any room for Jesus

Komentáře • 49

  • @kuwaitmercifamampaheryahow1037

    Latsaka ny ranomaso rehefa miaino ty Hira ty , jesosy Kristy maty noho ny fahotako misaotra betsaka tompo

  • @nirinaramangasalama5868

    Reko ny antsonao Tompo. Inty aho iraho aho. 😊

  • @dinalovarasolonirina2731
    @dinalovarasolonirina2731 Před 4 lety +1

    Mampatsiahy antsika ity hira ity fa mila manao dingana isika tsirairay avy manoloana ny sorona nataon'i Jesoa Kristy. Misaotra Tompo ô! Fa mbola manome tombon'andro anay ianao isan'andro hisainanay ny amin'ny fitiavanao anay tsy misy fetra.

  • @peaceontheearth4359
    @peaceontheearth4359 Před 6 lety +1

    1. Nahafoy ny aiko Aho
    Hanavotako anao.
    Ka nalatsako ny rako,
    Nisoloako anao.
    He! ny aiko no nomeko
    Ry mpanota very e!
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
    2. Lapan-dRaiko ao ambony,
    Voninahi-dehibe,
    No nilaozako hamonjy
    Sy hanafa-doza anao,
    ‘Zay voafitaky satana
    Sy nozoin-doza be;
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
    3. Soa be sy mahagaga
    No natolotro anao,
    Famonjena tsy vidina,
    Famelana ny otanao,
    Fitiavan-tsy voafetra,
    Lova ao an-danitra ao;
    Aiza izay afoinao re
    Mba ho Ahy Tomponao?
    4. Indro Tompo! Fa omeko
    Ho Anao ny tenako,
    Ka tsy misy izay tsy foiko
    ‘zay rehetra tianao;
    Eso, latsa, tsy ahoako,
    Fa ny ho mpanomponao
    No ho zavatra kendreko,
    Raiso re ny zanakao.

  • @nadizarah4545
    @nadizarah4545 Před 7 lety +9

    Vao maraina aloa ny anomboako ny asako ref avy mvavaka aho d miaino ty hira ty d tena velombelona ery ny fanahiko amen

  • @rollandrandriamampianina9196

    Sambatra raha samy sambatra ny manana an'i Jesosy eto @izao fiainana izao.

  • @volatinaangele569
    @volatinaangele569 Před 6 lety +1

    Misaotra jesosy be fitiavana tokoa anw amen

  • @raketa012
    @raketa012 Před 9 měsíci

  • @mioraanja7717
    @mioraanja7717 Před 7 lety +2

    hiran'i Dada ty hira ty,ary fahatsiarovako azy.Tompo Malala oh,Mino aho fa i Dada dia miara_monina aminao ao an_danitra ao satria fantako fa tia azy fatratra iano dia nomenao fiainana mandrakizay eo an_tanakavananao izy,ary izahay rehatra aty an_tany dia samy mbola hiaona any an_danitra any ami'ny anaran'i Jesosy Tompo AMEN dia AMEN

  • @viavysoaranja2822
    @viavysoaranja2822 Před 6 lety

    Misaotra anao aho Ray nomenao tombon'andro ahafahako mitombo @ fahalalanao ary mamela ny vahoakanao fa mpanota tsy mendrika izy ireo ianao anie hanazava sainy izy rehetra hitodika @ ilay fitiavanao tsy misy petina ❤Amen voninahitra ho Anao ry Avo!

  • @nirinanicolasandrianarivo9775

    nijaly mafy ny Tompo noho ny elon-tsika
    koa aoka isika mb sam hanolon-tena ho azy

  • @MrTanytera
    @MrTanytera Před 12 lety +2

    Misaotra Jesoa be fitiavana.
    Misaotra ho an'ireo nikarakara sy nampiditra ny hira.
    Ho tahin'Andriamanitra

  • @rahantavololonafanomezants7984

    misaotra tompo ô noho ny fitiavanao anay

  • @estelaelina269
    @estelaelina269 Před 8 lety +10

    Tompo ô matoky aho fa eo anilako mandrakariva ianao fantatrao fa be heloka aho fa nadia zany aza , aza avelanao rery aho ry Andriamanitra ray ô amen

  • @zonyhavana4752
    @zonyhavana4752 Před 7 lety +1

    Misaotra Jesosy fa Tia ny olona rehetra Ianao an!

  • @antoinephilippe8721
    @antoinephilippe8721 Před 11 lety +2

    tres beau cantique avec des tres belle voix que dieu vos benisse

    • @cybertriak6996
      @cybertriak6996 Před 3 lety

      Et voici Mon Seigneur que je t'offre tout mon corps Et que je peux tout t' abandonner si tu le demande 'quelques paroles"

  • @mananjafyjeandelacroix903

    Indro TOMPO fa homeko
    Ho anao ny tenako
    Ka tsy misy izay tsy foiko ;
    Zay rehetra tianao;
    Eso latsa tsy ahoako
    fa ny ho mpanomponao
    No ho zavatra kendreko
    Raiso re ny zanakao

  • @razafiharijaonalova62
    @razafiharijaonalova62 Před 10 lety +2

    Misaotra Tompo fa nandao ny Lapanao ho ahy Ianao

  • @vanessairene6881
    @vanessairene6881 Před 8 lety +1

    tompo o naiza naiza misy ahy de tsapako fa eo enao ..ny ainao natolotrao fanavotana ahy ..mamela elokay jesosy o ..fantatro fa miaro anay enao...udro tompo fa omeko anao ny tenako.amen!!!

  • @mouhiddineenssufate3419
    @mouhiddineenssufate3419 Před 10 lety +3

    Aiza zay mba hafointsika ho an'i Jesoa , fotoana ve? vola ve? inona........??????? mafoiza ho an'i Tompo @ zavatra rehetra.§§

  • @KuwaitKuwait-te6kk
    @KuwaitKuwait-te6kk Před 6 lety

    Tompo ô mamela ny heloko fa mpanota ahao .mafinatra ny mihaino lay hira

  • @mbotizandryelissah8769
    @mbotizandryelissah8769 Před 5 lety +1

    Fitiavana tsy voa fetra , tsara indrindra ny tompo ,

  • @linesambieto1469
    @linesambieto1469 Před 6 lety

    Andriamanitra ô apetrako eo ampelatananao ny fiainanay mianakavy !

  • @peaceontheearth4359
    @peaceontheearth4359 Před 6 lety +1

    Ce chant malgache, vous pouvez s'il vous plait le traduire en français svp?

  • @ainafenoarisoa9737
    @ainafenoarisoa9737 Před 10 lety +2

    mamela ny helokay tompo !

  • @norianoria924
    @norianoria924 Před 5 lety

    Amen ..

  • @soaharry9325
    @soaharry9325 Před 11 lety +2

    Tsara lotra e

  • @andriamanantenajonahselise8203

    misaotra indrindra !!
    ho tahian'ANDRIAMANITRA

  • @sitrakiniainaannicka1950
    @sitrakiniainaannicka1950 Před 8 lety +1

    Tompo o atolotro Anao ny tenako.

  • @MrRatsiry
    @MrRatsiry Před 11 lety +1

    tik b sad manindrona n foko

  • @hajarandrianarivo9290
    @hajarandrianarivo9290 Před 9 lety +1

    misaotra fa tena mamelombelona fanahy le hira tena voky ara-panahy

    • @anitraanitra8946
      @anitraanitra8946 Před 6 lety

      Haja Randrianarivo eo anilantsika manndrakariva ny tompo ary tsy mamela antsika ho irery izy

  • @verobelle5233
    @verobelle5233 Před 6 lety

    Indro tompo fa homeko ho anao ny tenako, ka tsy misy izay tsy foiko zay rehetra tianao

  • @jakyrobygerard2569
    @jakyrobygerard2569 Před 8 lety +4

    aiza zay mba foinao mba ho ahy tomponao?? tena mampieritreritra tokoa rehefa tena dinihina sy fakafakaina tsara ity hira ity

  • @verobelle5233
    @verobelle5233 Před 5 lety

    😢😢💞

  • @lantoariniainaheinz5858

    tompo o, vonjeo aho.

  • @chinaajji14
    @chinaajji14 Před 7 lety

    Tena tiko hira 109 ty sy 356

  • @MrJunette
    @MrJunette Před 6 lety

    Is this Japanese?